✨ Fitsapana ho amin’ny voninahitra !
Omaly isika dia niresaka ireo fisedrana mba hahitantsika ny fomba fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika amin’ireny fotoana ireny.
Samy mandalo fisedrana mamay avokoa isika, eo amin’ny fiainantsika. Ary misy mihitsy aza olona tsy maintsy niaritra fitsapana mamay ara-bakiteny.
Izany no nahazo an’i Sadraka, Mesaka, ary Abednego, rehefa niseho teo anatrehan’ny mpanjaka Nebokadnezara izy ireo. Satria ny nety niankohoka taminy izy ireo, dia natsipy tao anaty lafaoro izay mamay avo fito heny noho ny isan’andro.
Ary teo am-povoan’izany afo izany, dia hitan’izy ireo ny fahagagan’Andriamanitra lehibe indrindra teo amin’ny fiainan’izy ireo :
- Milaza ny Baiboly fa “..mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy..” (Daniela 3:25)
- Sady tonga niaraka tamin’izy ireo tao Jesosy.
- Na dia ny akanjon’izy ireo aza dia tsy nisy fofon’ny afo akory.
Tena mahavariana loatra izany ! Eny, ny fisedrana dia fahafahana lehibe hahitana ny voninahitr’Andriamanitra. Fa mila mihetsika am-pinoana anefa, ary mandroso amin’ny fahasahiana, tahaka ny nataon’izy ireo.
Ry namako, ny afonao mirehatra ho an’Andriamanitra anie hamono ny afon’ny fisedrana manodidina anao.
Na inona na inona fisedrana misy eo aminao, dia manaova hetsiky ny finoana anio. Raha mbola tsy tafavoaka ny sambo isika ka mbola tsy mametraka ny tongotsika ao anaty rano, tahaka an’i Petera, dia tsy ho afaka ny andeha ambonin’ny rano mihitsy ary hiaina ny fahagagana tsy takatry ny saina hataon’Andriamanitra. (Matio 14:29).