✏️ Efa nahavita ny enti-modinao ve ianao?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ✏️ Efa nahavita ny enti-modinao ve ianao?

Fony ianao mbola kely, efa nisy fotoana ve ianao nanadino nanao enti-mody kanefa nasain’ny mpampianatra nankany amin’ny solaitrabe mba hanitsy ilay fanazaran-tena ?

Izaho manokana dia mpianatra tena nahay ary nahavita ny enti-modiko foana. Indray andro anefa dia toy izao no nitranga : niantso ahy teny amin’ny solaitrabe ilay mpampianatra mba hanitsy ilay fanazaran-tena teo amin’ny faran’ny pejy izay hadinoko ny nanao azy ! Menatra be aho raha tsy maintsy niaiky teo imason’ny rehetra fa tsy nanao izany ary nalahelo mafy ka ny farany nitomany (7 taona aho tamin’izany) !

Rehefa tsy mahavita izay tokony hatao isika dia mahatsiaro malahelo, na dia tsy misy mahatsikaritra aza izany. Misy fiantraikany amintsika ny fahafantarana fa tsy mandroso  isika na koa mandalo fahasarotana ny lafin’iray amin’ny fiainantsika. Soa ihany fa rehefa mahatontosa ny andraikitsika isika ka manao izay fara herintsika hahatanteraka izany dia mandray fitahiana maro! Tiako ity teny ao amin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly ity, izay milaza hoe: “Izay manangona amin’ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.“ (Ohabolana 10:5)

Ry namako, ny fahazotoana dia fanafody tsara hialana amin’ny fahafaham-baraka !

Indraindray isika dia tsy te handeha hiasa, handeha hanao fanatanjahan-tena, na hamaky Baiboly, kanefa raha misafidy ny hanao izany isika dia tena mitondra soa ho antsika izany ! Araka ny efa nolazaiko taminao omaly dia manasa anao aho hanao dingana anio. Eny, izany no fomba tsara indrindra hanafaka anao amin’ny fitaintainana sy ny fahafaham-baraka !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!