✍🏻 Andriamanitra miteny aminao ara-paminaniana!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ✍🏻 Andriamanitra miteny aminao ara-paminaniana!

Mivavaka aho mba hataon’ny Tompo hirehitra bebe kokoa eo amin’ny fiainanao ny Afony, araky ny hitantsika omaly, ary mba hahatsiaro hifoha bebe kokoa noho ny Fanatrehany ianao. Efa nanomana zava-tsarobidy be dia be ho anao Andriamanitra !

Tohizantsika ity lohahevitra misy andian-teny fohy nefa mahery vaika ity, ary hojerentsika anio ny andininy fahadimy izay manao hoe : “Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.” (1 Tesaloniana 5:20).

Hatramin’ny izay nihaonako tamin’i Jesosy 20 taona mahery lasa izay, dia liana hatrany ny zava-drehetra momba ny faminaniana aho.

Ny faminaniana dia fandraisana hafatra avy amin’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika. Ity hafatra ity dia natao ho fampandrosoana, famporisihana ary fampiononana (1 Korintiana 14:3). Tsy hisalasalana fa ny “teny faminaniana tsara indrindra” azontsika raisina dia avy amin’ny Tenin’Andriamanitra (2 Petera 1:19), satria Andriamanitra dia miresaka amintsika mivantana ao amin’ny Baiboly !

Izany no maha-zava-dehibe ny fitandremana izay tian’ny Tompo holazaina amintsika, satria miresaka amintsika mandrakariva Izy, ary tsy amin’ny alalan’ny Teniny ihany. Raha mihaino tsara isika dia afaka mandre ny feony amin’ny toe-javatra isan-karazany eo amin’ny fiainana andavanandro, indrindra fa amin’ny fotoana hivavahantsika !

Raha izaho manokana izao dia matetika Andriamanitra no miresaka amiko amin’ny alalan’ny eritreritra tonga ao an-tsaiko, indrindra amin’ny fahitana, na amin’ny alalan’ny sary indray mipika mandalo ao an-tsaiko. Mety ho zavatra avy amin’ny lasa izany, toy ny fahatsiarovana, na zava-baovao tanteraka izay tsy mbola noeritreretiko hatrizay.

Nandritra ny taona maro, no nahaizako fa rehefa mandinika sy manontany ny Tompo momba ny Eritreriny aho dia gaga matetika ny amin’ny fomba firesany amiko amin’ny alalan’ireo !

Indraindray misy andalan-teny sasany ao amin’ny Baiboly manohina antsika, misy fahatsiarovana tonga ao an-tsaina, nofy, fihetseham-po, eritreritra… Kanefa, na dia fantatsika aza izany, dia tsy tena miraharaha an’izany isika, raha ny tena izy anefa, dia azo antoka fa Andriamanitra no nandefa izany mba  hiresahany  momba ny fiainantsika sy ny zava-misy iainantsika ankehitriny !

Ry namako, aza atao ambanin-javatra ireo hafatra avy amin’Andriamanitra amin’ny fiainanao ! Indraindray dia mora amintsika ny tsy miraharaha azy ireo, fa raha mitandrina sy manontany an’Andriamanitra foana ianao dia ho voatahy tokoa!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!