✍️Inona ny fanomezam-pahasoavana anananao?
“Inona no fanomezam-pahasoavako?” no anisan’ireo fanontaniana apetraka matetika any am-piangonana, ary fanontaniana azo antoka fa tsy maintsy mipetraka amin’ny kristianina rehetra amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainany.
Ny teny hoe “don” amin’ny teny frantsay dia midika ara-bakiteny hoe “fanomezana”, ary raha amin’ny dikan-teny grika io teny io dia mitovy hevitra amin’ny hoe “fahasoavana”, na “fanasitranana”.
Noho izany, rehefa mikatsaka ny hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra antsika isika, dia mikatsaka ny hahafantatra ihany koa ireo fahaiza-manao, na ara-boajanahary na ara-panahy, izay nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ny Fahasoavany, izay azontsika ampiasaina mba hitahiana ny hafa sy hanomezana voninahitra Azy.
Ny tenin’Andriamanitra dia mamporisika antsika amin’ny filazana hoe: “Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.” (1 Korintiana 14:12)
Ary koa: “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra.” (1 Petera 4:10).
Tsy mahafinaritra ve izany? Noharian’Andriamanitra manokana isika tsirairay avy, miaraka amin’ny toetrantsika sy ny fiantsoana antsika, ary miaraka amin’ireo karazana fanomezam-pahasoavana izay napetrany tao anatintsika, mba hahafahantsika hamirapiratra sy hitahiana ny olona manodidina antsika
Eny, ry namako, Andriamanitra dia manome antsika fanomezana, mba ahafahantsika mitahy ny hafa sy manitatra ny Fanjakan’ny lanitra. Ary am-pifaliana no hanaovantsika izay zavatra tiantsika , araka ny namoronan’ilay Mpahary antsika. Mampiasa ny fanomezam-pahasoavanao ho amin’ny Voninahiny ve ianao? Makà fotoana hieritreretana an’izany, sady misaorà Azy amin’ireo fanomezam-pahasoavana tsirairay izay napetrany ao anatinao.