✌🏻 Inona no ambaran’ny fihetsikao ?
Ny rakibolana espaniola dia manana famaritana roa ny teny hoe « endrika ivelany » :
Toetra na endrika ivelan’ny zavatra iray na olona iray.
Zavatra toy ny tena misy kanefa tsy misy akory.
Tao anatin’ny andro vitsivitsy isika dia nifantoka tamin’ny ilay famaritana faharoa : ilay isika tsy maneho ny tena maha izy antsika rehefa manoloana ny hafa.
Kanefa afaka maneho toetra tsara ihany koa isika rehefa tena hitan’ny hafa izay ao anatintsika,mba ho taratry ny ety ivelany ny ao anatintsika.
Matetika isika no tsy mahatsapa an’izany, fa ny olona no mahita izay ataontsika. Ireo olona mifanerasera amintsika amin’ny fiainana andavanandro no mahita ny fihetsika ataontsika sy ny pitsopitsony madinika rehetra ary izany no hahafahan’izy ireo mahafantatra ny toetrantsika sy ny tena maha izy antsika.
Arak’ilay fitenenana fantan-daza hoe : « Ny ataontsika dia miresaka kokoa noho ny teny ambarantsika ». Ary tena marina be izany.
Ahoana no fahitan’ny hafa anao ? Ahoana ny taratry ny «ao anatinao» ? Ary inona ny fanatsarana ataonao ?
Raha miresaka momba ny fiovan’ny tarehin’i Jesosy ny Filazantsara dia izao no ambarany : « Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. » (Lioka 9 :29)
Andao hojerentsika izay voasoratra : raha nivavaka Izy, dia niova ny endriky ny tavany. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra no mahatonga antsika hamirapiratra ao anatiny sy ety ivelany. Mankahery antsika ny Baiboly : «Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.» (II Kor 3 18)
Eny, ry namako, mba ho hita taratra eo amin’ny fiainanao anio anie ny voninahitr’Andriamanitra !
Afantohy Aminy anio ny sainao, ary aoka hiseho ao aminao ny Voninahiny, mba ho amin’ny alalany no hikasihana anao sy ny hafa.
Nivavaka ho an’ny firenena ve ianao anio ?Mila anao manokana Andriamanitra hanandratra io vavaka io isan’andro, mihoatra noho ny teo aloha aza, mba hisehoan’ny Sitrapony sy ny Voninahiny.