✋🏻Avelao Andriamanitra hametraka ny Tanany eo aminao !
Efa nahatsiaro tena toy ny efa tonga any an-danitra ve ianao rehefa mihaino hira iray ?
Misy fotoana aho mahatsapa izany rehefa mivavaka iny, miaraka amin’ny mozika sy zava-maneno mandeha ao ambadika.
Tamin’ny andro fahiny, dia nantsoin’ny mpanjakan’ny Isiraely i Elisa mpaminany mba hanontany azy raha tokony handeha hiady izy. Nangataka tamin’ny mpanjaka i Elisa mba hitondra mpihira (mpitendry zava-maneno) mba hahafahany mitendry eo anatrehany.
Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy ny playlist Spotify na YouTube. Noho izany, raha mila mozika ianao dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny mangataka olona hilalao, na mianatra mitendry zava-maneno ny tenanao =)
Hoy ny Baiboly « Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’i Elisa ny tĂ nan’i Jehovah » (2 Mpanjaka 3:15), ary tamin’izay izy no nanomboka naminany.
Ny mozika no nanampy azy hifandray amin’Andriamanitra, hanokatra ny fony handray izay tiany holazaina aminy.
Azonao sary an-tsaina ve hoe manao ahoana ny fideranan’ ny Lanitra? Tena feno voninahitra fotsiny izany! Amin’ny alalan’ny fiderana no ahafahantsika miaina ety an-tany ny endriky ny fiainana any an-danitra izay manentana sy manohina ny fontsika.
Ry namako, alefao ny mozika! Ankafizo ny fotoana rehetra rehefa miasa, rehefa miala sasatra na mandeha amin’ny fitateram-bahoaka, mba hahafahanao manantanteraka ny fiderana ao ambadika.
Anio, hiaino tanteraka ny fanatrehan’Andriamanitra.