✋🏻 Andraso!
Fony aho mbola kely, dia faly be aho rehefa mahazo fanomezana! Amin’ny ankapobeny dia nisy daty manokana roa voamarika tao amin’ny kalandrie-ko: Krismasy sy fitsingerenan’ny andro nahaterahako.
Rehefa nanakaiky ireo daty ireo, dia nanomboka nijery katalaogy kilalao sy fivarotana teo amin’ny manodidina ahy aho, mba hisafidianana ny kilalao tiako. Rehefa voasafidy, ka avy nampandre ny raiko aho, ny hany tsy maintsy ataoko sisa dia ny miandry!
Tsy maintsy niandry 30 andro na mihoatra aho indraindray, satria efa zatra nifidy tsara ilay kilalao mialoha be aho. Tena fanamby ho ahy ilay izy! =) Ianao koa ve matetika tsy manana faharetana eo am-piandrasana ry namako?
Hoy ny Baiboly: “Fa raha manantena izay tsy hitantsika isika, dia miandry amin’ny faharetana.” ( Romana 8:25)
Nandritra ny taona maro dia hitako matetika fa ny faharetana dia iray amin’ireo fanalahidy manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana. Olombelona isika, resy lahatra aho fa toa ahy, dia te hanana ny zavatra rehetra koa ianao. Kanefa tonga lafatra ny fotoan’Andriamanitra! Ary ny faharetana no toetra ilaina mba hahantanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra rehetra izay tsy mbola hitanao, kanefa efa nomaniny ho anao.
Amin’ity herinandro ity dia hizara aminao fanalahidy 7 izay hanampy anao hanam-paharetana bebe kokoa aho, ary hahafehy manokana ny hasarobidin’ny raketin’ny fiadanam-po. Vonona ve ianao ?
Mitondra anao ato am-poko aho.