✉️ Iza no nandresy tamin’ny fifidianana anio?
Eo amin’ny resaka politika dia samy te-handresy amin’ny fifidianana avokoa ny rehetra!
Mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, ny kandidà rehetra dia manao ny ezaka rehetra mihoatra noho ny fetra maha olombelona mba hiezahana hahazo ny safidin’ny mpiray tanindrazana aminy.
Nahoana izy ireo no manao izany araka ny hevitrao? Ankoatra ny fahafinaretan’ny fandresena dia manao izany izy ireo satria te hitondra, ary hahazo ny toerana ahafahany mandray fanapahan-kevitra hamolavola ny hoavin’ny fireneny.
Ry namako, isika ihany koa dia manana karazana “fampielezan-kevitra” handresena ny ao anatintsika.
Mahatsapa fihetseham-po maro isika, ary eritreritra maromaro no mifaninana ao anatintsika mba hitarika ny fiainantsika. Ny fahatezerana, fiadanana, fahaketrahana, fifaliana, fikorotanana, fahatokisana, sns… dia anisan’ireo kandidà miezaka mitantana ny fiainantsika isan’andro.
Ny sasany amin’ireo fahatsapana ireo dia tsara, ny sasany ratsy, saingy iray ihany no tokony hanjaka ao am-pontsika. Fantatrao ve hoe inona?
Mamaly izany fanontaniana izany ny Baiboly : “Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.” ( Kolosiana 3:15).
Eny, mila manjaka eo amin’ny fiainantsika ny fiadanan’Andriamanitra! Rehefa manana fiadanana ao am-pontsika isika dia hananantsika ny fahaiza-manavaka mba handraisana fanapahan-kevitra tsara, sy mba hihainoana an’Andriamanitra miresaka amintsika.
Ry namako, aoka ny fiadanan’Andriamanitra hanapaka ny fiainanao anio.
Ny fiadanana dia anisan’ny manan-danja eo amin’ny fiainana maha kristianina. Izany no antony, hijerentsika mandritra ity herinandro ity ny fanalahidy maromaro hanampy anao hiaina ao anatin’izany fiadanana izany, mba hotahiana amin’ny fotoana rehetra ianao. Vonona ve ianao ?
Efa nanomana fiadanana azo antoka ho anao Andriamanitra anio.