✉️ Ento ho eo amin’ Andriamanitra ny taratasinao
Tena mahafaly ahy ny fiarahantsika mandroso amin’ity herinandro ity, mahakasika ity lohahevitra manan-danja ity. Eny, Andriamanitra dia te hanampy anao handresy ny fampitahorana ataon’ilay ratsy eo amin’ny fiainanao !
Hitantsika omaly ny fampitahoran’i Goliata an’i Israely tamin’ny ireo teny feno fanaratsiana, rehefa nandalo teo anoloan’izy ireo izy, tamin’ny fomba feno fihantsiana. Fantany fa Isiraely dia matahotra azy, ary izay no vao maika nampatanjaka azy.
Anisan’ny paikady iray izay ampiasain’ilay ratsy : ny hatsapantsika fa kely isika, ka tsy afaka ny hiady amin’io olana mampatahotra antsika io. Ary amin’izany dia mampiasa lainga hatrany izy.
Mahafinaritra ahy ilay tantara iray ao amin’ny Baiboly, izay tena mampianatra ahy manokana , dia ny tantaran’i Hezekia Mpanjaka sy ny fandrahonana nataon’ ny mpanjakan’i Asiria.
Rabsake, iraky ny mpanjakan’i Asiria, dia niezaka nanakivy sy namitaka an’i Hezekia Mpanjaka sy ny vahoakan’i Joda rehetra. Resin’ny mpanjakan’i Asiria ny firenena rehetra nanodidina, ary tsy voafehy ny fandrosoany. I Rabsake dia :
- naneso ny herin’ny miaramilan’ny Joda rehefa nampitaha azy ireo tamin’ny tafika asirianina ( 2 Mpanjaka 18:24 ).
- niezaka ny hanakorontana azy ireo, ary nilaza taminy fa Andriamanitra mihitsy no naniraka azy ireo handringana ny vahoakan’i Joda ( 2 Mpanjaka 18:25 ).
Ary ny fiafaran’izany rehetra izany, dia niezaka mihitsy izy mba hisalasalan’izy ireo ny amin’Andriamanitra, ka hoy izy tamin’i Hezekia : “Aoka tsy ho voafitaky ny Andriamanitra itokianao ianao amin’ny filazany fa i Jerosalema dia tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria” ( 2 Mpanjaka 19:10 ).
Tahaka izany no fiasan’ilay ratsy ! Ny fahavalo dia te-hiseho lehibe, ny fomba hany azony atao dia ny fiezahany hamitaka antsika, hanakorontana antsika, ny hinoantsika fa kely isika, tsy afaka manao na inona na inona, ary indrindra, hahatonga antsika hisalasala ny amin’Andriamanitra.
Ny Baiboly dia milaza fa nalain’i Hezekia ny taratasy nomen’i Rabsake azy avy tamin’ny mpanjakan’i Asiria, ary niakatra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ary rehefa tao amin’ny tempoly i Hezekia dia “namelatra izany taratasy izany teo anatrehan’ny Tompo” ( 2 Mpanjaka 19:14 ). Namboraka ny tao am-pony teo anatrehan’Andriamanitra i Hezekia.
Tsy niandry ela ny valin-tenin’Andriamanitra : tsy vitan’ny hoe niteny tao am-pony sy nampahery azy Andriamanitra, fa mihoatra noho izany, ny ampitson’iny ihany dia rava ny ankamaroan’ny tafik’i Asirianina, ka voatery nandositra ny mpanjakan’i Asiria, ary nihorohoro. Tao anatin’ny indray mipi-maso dia nanova tanteraka ny toe-javatra Andriamanitra !
Ry namako, anio, raiso ireo fandrahonana rehetra, ny tahotra, ny fanesoana ataon’ilay ratsy eo amin’ny fiainanao, ary ento izao ankehitriny izao, ho eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra. Loary eo Aminy ny zava-drehetra, ary avelao Izy hampahery anao sy handamina ny toe-javatra. Andriamanitra mahalala izay tokony hataony sy ny fomba atao !