⛽️ Manana olana isika…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⛽️ Manana olana isika…

Ahoana ny fihetsikao rehefa manana olana ? Inona no zavatra ataonao voalohany rehefa ao anatin’ny fahasahiranana ianao?
Nandritra ny taona maro dia niova ny fihetsiko manoloana ny olana. Fony aho mbola kely dia mazàna mora tezitra na mitady vahaolana malaky na mitebiteby. Amin’ny ankapobeny dia ny rarin-tsaina no mibaiko ny zavatra hataoko.
Ankehitriny kosa dia miantso an’Andriamanitra ato am-poko no zavatra ataoko voalohany. Ary na dia tsapako aza ny vesatry ny tebiteby dia tsy avelako hiasa ato anatiko izany : avy hatrany dia manomboka mivavaka amin’ny foko lalina aho. Mangataka fahendrena amin’ny Tompo aho manao hoe: “Tompo ô, inona no tianao hataoko manoloana izao toe-javatra izao? Inona ny Sitraponao ? Ampio aho mba hahita amin’ny fomba fijerinao »
Miverina tsikelikely ny fahitako sy ny fiadanako aho rehefa miantso fanampiana sy fahendrena amin’ny Tompo. Manomboka mahita hevitra vaovao ato an-tsaiko aho ary ilay olana izay toa hitako tsy hisy vahaolana intsony dia manomboka misava. Minitra vitsy aty aoriana dia mahatsiaro nohavaozina indray aho, feno fifaliana ao amin’ny Tompo ary manana fahatokiana fa ho tafavoaka haingana amin’izao toe-javatra izao aho.
Imbetsaka no niainan’i Davida Mpanjaka izany. Hoy izy ao amin’ny Salamo iray izay nosoratany : « Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny….nanintona ahy niala tamin’ny rano be Izy; Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy. » (Salamo 18 :6, 16-17) Eny, ry namako, rehefa mitaraina amin’Andriamanitra ao anatin’ny fahorianao ianao, dia manafaka anao amin’ny fahavalonao Izy!
Anio, atolory an’i Jehovah ny olanao rehetra, ary aoka ny fitarainanao hivadika ho vavaka fisaorana sy fiderana.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!