⛺️ Andao hilasy !
Efa nisy fotoana nandehananao nilasy ve ?
Tsy fantatro hoe nataonao ahoana ny trano lay anao, fa amin’ny ankapobeny, ny fotoana fananganana azy sy ny fanatsatohana azy amin’ny tany iny no dingana tena manahirana.
Zavatra iray no azo antoka : rehefa nahavita nanangana ny trano lay anao ianao dia tsy te hamindra toerana an’ilay izy intsony.😂 Ary tsy miala eo amin’io toerana io intsony ianao raha tsy efa fotoana tokony hialana amin’izay, sa tsy izany? =)
Hanohy ny Salamo 34 isika anio, izay nanambaran’ny mpanjaka Davida hoe : “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7) Ny anjelin’Andriamanitra dia mitoby manodidina anao mba hiaro anao, ary tsy hiala eo aminao izy ireo !
Ary mihoatra noho izany ry namako, Andriamanitra dia mpiaro anao ! Miady ny adinao Izy ary miaro anao amin’ny alehanao rehetra.
Anio dia manasa anao aho hamarana an’ity lahatsoratra ity amin’ny fankafizanao miaraka amiko, ny teny fikasana rehetra hita ao amin’ny Salamo 121, izay mitondra ny lohateny hoe “Fahatokian’izay manana an’i Jehovah ho Mpiaro azy”. Mamporisika anao aho hisaintsaina ny fahamarinana hita ao anatin’ny andininy tsirairay, rehefa mamaky ny toko miaraka amiko ianao :
“Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
Jehovah no Mpiaro anao;
Jehovah no fialofanao eo amin’ny an-kavananao. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’izao ka ho mandrakizay.”
Amen !