⛲️Mamelà ny Fanahinao ho ambinina …
Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny fanambinana. Ireto misy andalan-tsoratra anisan’ireo tena tiako momba izay lohahevitra izay :
✅“Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa” (Salamo 1:3).
✅“Ny fanahin’ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ny mazoto hohatavezina” (Ohabolana 13:4).
✅“Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany” (III Jaona 1:2).
Araka ny hitanao amin’ireo andalan-tsoratra ireo, dia mifamatotra amin’ny fanapahankevitsika sasantsasany ny fanambinana eo amin’ny fiainantsika, ohatra amin’izany ny fialana amin’ny torohevitra ratsy, ny fananana fahazotoana ary ny fikatsahana fitomboana ara-panahy, ankoatry ny maro hafa.
Iray amin’ireo fanapahankevitra ireo ny malala-tanana. Jereo ny lazain’ity ohabolana ity : “Izay manisy soa olona dia hohatavezina; ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa” (Ohabolana 11:25) : izay malala-tanana anio dia hambinina. Manana fampanantenana fitahiana isika : ho avy izany fanambinana izany.
Ankoatr’izay, izay mamoky sy mitahy ny hafa araka izay tratrany dia ho vokisana sy hotahiana ihany koa. Tsy milaza Izy hoe hotahiana kely fotsiny, fa ho “afa-po”. Toy ny hoe rehefa mangetaheta ianao ka misotro rano mandra-pahafa-po anao.
Eny ry namako, misintona fanambinana ny fahalalahanao tanana. Ary tsy mahakasika ny fanambinana ara-bola ihany izany, fa eo amin’ny lafi-piainanao rehetra, sy mandra-pahafa-po anao.
Imbetsaka niaina izany aho teo amin’ny fiainako. Maro tamin’ireo zavatra nataoko tam-pitiavana ho an’ny hafa teo amin’ny fiainako no nanokatra varavarana tsy mampino ho ahy, anisan’izany ny varavarana nahatonga ahy ho mpanoratra ny Fahagagana Isan’Andro !
Saino ny fomba ahafahanao mitahy olona iray amin’ny alalan’ny fahalalahanao tanana anio, ary avelao Andriamanitra hanao izany amin’ny alalanao. Hitondra vokatra sarobidy izany, na eo amin’ny fiainanao na eo amin’ny an’ny hafa !