⛔Ajanony ny alahelo ! 😄
Ny alahelo dia mitondra voka-dratsy eo amin’ny fiainantsika.
Tamin’ny vanim-potona iray izay, nandalo fotoana tena sarotra aho. Tadidiko manokana indray alina izay tena nalahelo mihitsy ary tena namoy fo aho ka nanjary narary tanteraka. Nanomboka nisy fambara tsikelikely, dia ny ampitso maraina, niakatra hafanana dia nanakotsako. Izany alahelo mavesatra izany dia nisy fiatraikany tamin’ny hery fiarovan’ny vatako ary tena nampalemy ahy ara-batana. Efa tojo izany ve ianao ?
Marina fa mampihena ny herintsika ny alahelo, mampiraviravy tanana, fa ny Baiboly milaza hoe :” koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Nehemia 8:10).
Mampilavo lefona, fa ny hafaliana avy amin’ny Tompo no manomana antsika hiatrika ny ady! Ny hafaliana dia vokatra tena ilaina amin’ny fiainantsika, ary tian’Andriamanitra isika hanana azy be dia be.
Mety manontany tena angamba ianao : Ahoana no fomba hahazoako izany hafaliana izany ? Indro misy fikafika : saino ireo zavatra efa nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainanao. Rehefa manomboka mitanisa ireo zavatra izay nataon’Andriamanitra ho anao ianao, dia miverina izay firehetana izay. Ny fitiavan’Andriamanitra dia mitsahatra amin’ny maha hevitra azy mba ho tonga azo raisina sy tena izy. Amin’izay indrindra no mamohy indray ny fankasitrahana sy ny hafaliana, sa tsy izany ?
Tia anao Andriamanitra, ary rehefa tonga saina ny amin’ny hasarobidin’ny fitiavany anao ianao, dia mamokatra hafaliana lehibe, araka izay efa hitantsika tamin’ny andalana omaly.
Anio, tianao ve raha miaraka mivavaka isika ? Tompo ô, mangataka Aminao aho hanampy ahy hiaina ao anatin’ity tontolon’ny hafaliana ity. Tiako raha ny hafaliana tsy manam-paharoa avy Aminao no hameno ny fiainako, ho tonga eo anatrehanao ary hiraraka amin’ny hafa ihany koa, ka mba ho tonga fitahiana ho an’ireo manodidina ahy aho. Misaotra ny amin’ny fitiavanao mahagaga Tompo ! Amin’ny anaran’i Jesosy, amena.”
Ao am-poko ianao.