⛓ Afaho ny tenanao anio !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⛓ Afaho ny tenanao anio !

Indraindray tsy fantatsika ny teny safidiana anatin’ny vavaka ataontsika. Rehefa misy zavatra tsapantsika ho manavesatra antsika, dia mety tsy haintsika ny fomba ivavahana ho an’izany.
Taona maro lasa izay, fony aho teny amin’ny Oniversite dia nandeha nanatrika hetsika iray nampivondrona tanora kristianina. Tao anatina fotoan-tsarotra tamin’ny fiainako aho, ary ara-panahy dia nihitsoka nandritra ny volana maro. Indray hariva, nandritra ny fotoam-piderana, dia tena nila naneho tamin’Andriamanitra izay tao am-poko aho. Nanomboka namerimberina hatrany aho ary saika toa nihiaka mihitsy hoe “Ampio aho ry Andriamanitro”. Nahery vaika loatra izany ka nirotsaka ny ranomasoko ary nirehitra ny tao anatiko ! Soa ihany fa mafy ny mozika ka lasa tsy hitan’ny hafa izay rehetra niainako teo.
Tena nila fiovana aho teo amin’ny fiainako, ary ny hany tokana azoko nataoko tamin’io fotoana io, dia ny nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra. Tsy vavaka lalina nifandimbiasana teny tsara lahatra fa fitarainana tsotra avy amin’ny atilalin’ny foko. Tena sarobidy ho an’ny Tompo io karazana fitarainana io, ary tena manafaka ho an’ny fiainantsika ! Tamin’io fotoana io dia afaka nahatsapa aho hoe nisy zavatra niseho tao anatiko. Tena nanafaka izany ary nisy fiovana lehibe teo amin’ny fifandraisako amin’Andriamanitra nanomboka tamin’io andro io.
Hoy ny Baiboly : “Antsoy Aho, dia hovaliako hianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao” (Jeremia 33:3). Te hamaly anao sy hanambara zavatra miavaka aminao Andriamanitra. Saingy mazàna, tsy afaka mandigana ireo sakana apetratsika eo Aminy sy amintsika na ao anatintsika Izy. Izany no mahatonga ny fitarainana amin’Andriamanitra ho tena manafaka : satria mitarika antsika hisokatra tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra izany, ary manome Azy, noho izany, fahafahana miasa eo amin’ny fiainantsika.
Te hahatsapa ny fikasihan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ve ianao anio ? Aboray eo anatrehany ny fonao ary avelao Izy hiasa. Tiany ianao ary te hanao zavatra sarobidy eo amin’ny fiainanao Izy !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!