⛓️ Inona ny fantsonao?
Efa novakianao ve ny fiarahabana rehetra namaranan’i Paoly ny epistily ho an’ny Kolosiana ?
Saika hanakatona ny Baiboliko aho, satria tsy fantatro manokana ny momba an’i Lioka, ny maha dokotera azy na i Nympha, na i Arkipo. Niaretako ihany anefa ka tonga tamin’ilay fehezanteny farany nosoratan’i Paoly hoe :
“Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.” (Kolosiana 4:18).
Tena nanohina ahy io fehezanteny io. Tsy dia lava ny epistily ho an’ny Kolosiana, fa nosoratany tamin’ny tanany, tamin’ny tanany voafatotra. Tanana azo antoka fa marary. Tanana tadiavin’olona ho ratraina. Tanana izay nosakanana tsy hanao soa bebe kokoa. Tanana azo antoka fa reraka…
Ary ny tsy tokony hohadinointsika koa dia hoe tanana efa nanao ratsy taloha… saingy nanapa-kevitra hiova hanao ny soa taty aoriana.
Anio, te hanontany anao aho raha mbola vonona hampiasa ny tananao ianao ? Ilay tanana eo amin’io vatanao maratra io ? Ilay tanana eo amin’ny vatana izay noratrainao ihany? Ilay tanana an’ny fanahy efa nijaly nandritra ny taona maro ? Ilay tanana izay tsy mbola noheverina mihitsy ny zava-bitany, sy ny vidiny ?
Ary hoy ianao anakampo: “Iza no hieritreritra ny tanako sy ny lasany rehetra ? Ny an’i Paoly afaka nanoratany ho an’ny olona maro. Fa iza no mahita ny ahy ?”
Jesosy mahita anao.
Hitan’i Jesosy ianao, ary izay ihany dia tokony ampy hanosika ny fonao hijoro na inona na inona mitranga, handray indray ny penina amin’ny fiainanao izay napetrak’i Jesosy teo an-tananao (fa tsy an’olon-kafa !) – ary hanoratra ny tantara izay nomaniny ho an’ny fiainanao hatrizay !
Satria ny fo torotoro – hitan’i Jesosy – dia manoratra tantara momba ny fanasitranana – izay mamela ny hafa hahita an’i Jesosy koa !