⚡️⚡️⚡️Fanalahidy 3 handresena ny fahavalo !
Manantena aho fa ny zavatra rehetra nozaraiko teto dia nanampy anao hahatsapa ny fandresena efa azonao tao amin’i Jesosy, sy ny fanapahan-kevitra tokony horaisinao mba hanehoana izany fandresena izany isan’andro.
Ao amin’ny Bokin’Apokalypsy dia miresaka momba ireo izay nandresy ny mpiampanga ny rahalahy (ny fahavalo dia ny devoly).
Hoy ilay andinin-teny : « Izy ireo kosa dia naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy na dia ho faty aza. » ( Apokalypsy 12:11).
Tiako ny antsipiriany voarakitra ao amin’io andininy io, satria manome antsika fanalahidy 3 izay ahafahantsika mandresy ny fahavalontsika ara-panahy isan’andro.
Andeha hojerentsika izy ireo:
- Amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry: Ny ran’i Kristy no fanalahidintsika voalohany. Tamin’ny alalan’ny sorona nataony teo amin’ny hazo fijaliana sy ny Rany nalatsany no nanadio sy nanafahana antsika tamin’ny herin’ny haizina. Maty nisolo voina antsika Izy, mba hahafahantsika ho feno ny Fiainany! Ny Rany no manome antsika fandresena amin’ny ota sy ny fahavalo.
- Amin’ny fijoroanao vavolombelona: Fantatrao ve ny herin’ny fijoroanao ho vavolombelona? Ny zavatra niainanao rehetra niaraka tamin’Andriamanitra, ny fahagagana rehetra sy ny antsipirian’ny fiainanao dia manambara fa tena misy Andriamanitra, mahery Izy ary feno fitiavana. Anisan’ny harena tsy azon’iza na iza esorina aminao izy ireo, satria tantaranao manokana izany. Rehefa manafika anao ny fahavalo dia afaka mahatsiaro ny fijoroana vavolombelona nataonao taloha, ary amin’ny alalan’ny finoana, dia mahazo toky fa ilay Andriamanitra izay nanampy anao tamin’izany no mbola hanampy anao indray…
- Amin’ny fanolorana ny fiainantsika manontolo ho an’Andriamanitra: Amin’ny finoana no ahafantarantsika fa mpandalo isika ety, ary ny zava-drehetra dia an’Andriamanitra. Rehefa manana izany toky izany isika dia manomboka mahita ny fiainana amin’ny fomba fijery vaovao : tsy manan- tahotra izay mety hanjo antsika, na be fanahiana amin’ny fiainana, fa amin’ny fahatokiana sy ny herim-po nohavaozina. Tsy afaka mifehy izay tsy matahotra ny fahavalo.
Ry namako, ireo fanalahidy 3 ireo dia tsy hanome anao fandresena fotsiny ihany, fa hanampy anao hahatontosa ny anjaranao, ary hahatonga anao ho lasa maherifon’ny finoana!