⚖️ Tsara sa ratsy ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⚖️ Tsara sa ratsy ?

Raha apetrakao eo ambonin’ny mizana ny zavatra tsara sy ratsy fanaonao, dia inona no mavesa-danja kokoa ?

Indraindray, tsy tsapantsika akory hoe miezaka manamarin-tena amin’ny fahalementsika isika,  ho setrin’ny zavatra tsara rehetra ataontsika.

Izao no lazain’ny Baiboly anefa : “mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.” (Romana 12:9).

Jereo ny fampiasana  ny teny hoe : “fankahalana” eto. Nodidiana isika handà sy hanaisotra ny ratsy rehetra. Fantatrao ve ny antony ? Satria ny ratsy dia avy amin’ny ratsy, avy amin’ny fahavalo.

Isaky ny misafidy ny hanao zavatra na mamela toe-javatra izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia toy ny hoe mampifanaraka ny tenantsika amin’ny haizina ary manome vahana ny fahavalo hiditra eo amin’ny fiainantsika.

Eny, indraindray ny toetrantsika maha-olombelona dia misintona antsika hiverina amin’ireo zava-dratsy tamin’ny lasantsika. Tena ady anaty io ! Ambonin’izany, dia manohy manao toy izao ilay andinin-teny : “Aza mety ho resin’ny ratsy ianao. Fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” (Romana 12:21). Ahoana no handresena ny ratsy ? Amin’ny fanarahana izay tsara.

Ny tena marina, rehefa manaraka ny tsara ianao dia Ilay tena hiavian’ ny soa no arahanao. Ary ahoana no ahafahanao manaraka Azy ? Rehefa mandray fanapahan-kevitra tsikelikely ianao, isan’andro isan’andro, dia ny fifandraisanao amin’Andriamanitra no tonga hery manosika anao hisafidy amin’ny Fahendreny, mandra-pahazoanao fandresena tanteraka amin’ny haizina.

Ry namako, misafidiana anio hanara-dia an’i Jesosy amin’ny fanapahan-kevitra rehetra, amin’ny dingana rehetra ataonao. Izany dia hanampy anao hiala amin’ny ratsy ary handroso amin-kery mankany amin’ny tanjona.

Manana fo sarobidy ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!