⚖️ Fitsitsiana sa fahampiana ?
Manantena aho fa nandritra izay andro farany izay, dia afaka nanandrana fahafaham-po mbola lehibe noho izay efa nomen’Andriamanitra anao ianao.
Omaly, isika nahita fa rehefa miaina ao anatin’ny fahafaham-po toy izany eo am-panompoana an’Andriamanitra dia mahazo tombony lehibe eo amin’ny fiainantsika isika.
Ilay andininy omaly dia milaza ihany koa hoe : “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana…”
Rehefa mamaky amin’ny fomba aingana io andininy io isika dia mety ho voasarika hino fa mitaona antsika hanana fiainana fihafiana indrindra, na koa hoe tsy tokony hanana vina lehibe ho an’ny fiainantsika isika eo amin’ny lafiny ara-bola na arak’asa.
Kanefa, ery amin’ny andininy ambany ery, ny Apostoly Paoly milaza amin’ny mpianany Timoty (araka izay efa hitantsika ny andro voalohany tamin’ity resaka ity), fa Ny Tompo “manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika” (1 Timoty 6:17).
Araka izany, inona no voaraintsika ? Fihafiana sa fahampiana ? Amiko, ny fomba tsara indrindra ahafahana mahazo izany dia ny fanomezana ohatra izay azontsika raisina.
Eritrereto anie hoe : Manan-janaka mbola kely taona ianao … (Raha izany tokoa no tena izy, dia mora kely ! =) Irinao mba ho tonga olon-dehibe manana ny maha izy azy, mandray andraikitra ary tsy hoe mitady vola fotsiny mba ho lanina amin’ny fivoahana amin’ny alina, mamonjy fety ary fanaovana fiainana tsy voahevitra ?
Toy ny itako sahady ilay hoe “Tsiiia !”, mivoaka avy any anaty fonao lalina, raha ianao eo am-pamakiana io andinin-tsoratra voalaza eo ambony io. 😂 Tsy misy ray aman-dreny maniry izany ho an’ny zanany ! Ireto kosa no irintsika ho azy ireo rehefa lehibe :
– Hikatsaka ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo.
– Hianatra handray andraikitra eo amin’ny lafim-piainana rehetra.
– Mankafy izay eo am-pelatanany ary mankasitraka ny amin’izany.
– Miezaka sy manome izay tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra.
– Mahalala tanana amin’ny hafa.
Izany fomba fihetsika izany no ahatonga azy ireo ho olona matotra, mandray andraikitra ary feno an’Andriamanitra.
Ny fanontaniana izay apetrako aminao dia : rehefa tonga olona tahaka izany izy ireo, tinao ve izy ireo hiaina ao anatin’ny fahantrana lalina, sa handroso ao anatin’ny fahampiana ?
Handroso ao anatin’ny fahampiana mazava ho azy ! Dia izay indrindra no tin’Andriamanitra ho antsika ihany koa : ny tsy hamelantsika ny fontsika ho feno fitsiriritana harena sy fitiavam-bola, fa ny mba hifantohantsika tsara ao Aminy.
Ary rehefa mahay mionona ao Aminy isika, mitady Azy, misaotra Azy sy mino ny fampanantenany, dia izay vao sokafany ho antsika ny lanitra ary arotsany amintsika ny fahafenony izay sarobidy indrindra !
Ry namako, aza afamadika ny anton-javatra ! Izay avy amin’ny fanahy aloha izay vao ny materialy.
Anio, mivavaka aho mba ahafahanao manandrana ny fitahian’ny fahafaham-po, ary mba ho tahian’Andriamanitra mihoatr’izay nofisinao ianao =)
Fahagagana ianao !