⚔️Fidio ny adinao
Manahirana indraindray ny fifandraisana amin’ny samy olona.
Impiry izay ianao no lasa nifamaly tamin’olona amin’ny zavatra tsy dia tena manan-danja ?
Ohatra hoe : ny feo ataon’ny mpifanolo-bodirindrina, ny fomba fampiasan’ny vadinao ny koba fandiovana nify, ilay olona misongona eo alohanao amin’ny filaharana eny an-tsena…
Indraindray, dia mora tezitra amin’ny zavatra, tsy dia misy dikany, rehefa tena zohina lalina isika, ary dia misy fiatraikany amin’ny fiadanantsika izany.
Misy mpivady namanay, vao avy nahavita raharaham-panambadiana, dia nametraka fanamby mba hisoroana ny fifamaliana madinika isan’andro. Hoy izy ireo : “Safidio ny adinao”.
Maneho fahalalinan-tsaina e! Miezaka hatrany izy ireo tsy hifamaly ary hifanazava amin’ny zavatra izay tena manan-danja irery ihany. Izany no ahafahan’izy ireo manivana ny “ady” tsy ilaina firy eo amin’ny andavan’andro, mba hifantohany manokana amin’ireo resaka izay mendrika ho dinihina.
Ny Baiboly milaza :”Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:18).
Tena manimba ny fidirana amin’ny fifamaliana amin’ny hafa ! Izany fifanenjanana izany no mangalatra ny fiadanantsika ary mamoaka ny ratsy indrindra ao anatintsika.
Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanampy anao hanana fiadanana hatrany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny manodidina amin’ny andavanandro :
- Omeo laharam-pahamehana ny fifandraisana mihoatra ny hoe tsy diso ianao : Indraindray, tena mino isika fa manana ny fahamarinana ka tsy mampaninona antsika na mandratra ny olona hafa aza. Tsy mendrika izany ary tsy fahendrena !
- Aza maika haneho fietsehampo rehefa misy zavatra maha tezitra anao : makà fotoana mba itoniana, miezaha tsy iteny aloha raha mbola “mamay” be ny toe-javatra, ary mitadiava fotoana hafa hiresahana amin’ilay olona. Izany dia hanampy anao hisaintsaina kokoa ary hiteny amin’ny fomba mahomby.
- Miresaha : rehefa misy olona roa mifamaly mafy, dia efa very ny fitoniana eo amin’izy ireo. Ny firesahana, dia tsy hoe akory fitenenana mba iezahana hametraka ny fomba fijery fa fiezahana mifankahazo sy mitady vahaolana iraisana. Ny fifandraisana amin’ny hafa rehetra dia mila fifampiresahana tena vokatry ny fo.
Ry namako, tena tsara ery izany hoe tsara fihavanana amin’ny manodidina anao izany ! Mivavaka aho, mba homen’ny Tompo fahendrena ianao, ary mba hanjakan’ny fiadanany ny fifandraisanao amin’ny hafa rehetra mandritra ity tontolo andro ity.