☝ Tsia, tsy araka izay nantenainao…
Tiako ho tantaraina aminao ny tantaram-piainan’ny namako Deborah Rosenkranz. Anisan’ireo mpanoratra maro nampiofanako manokana tato amin’ny “Un miracle chaque jour” izy. Mandritry ny andro vitsivitsy dia hizara aminao ny tantarany izy… Inoako fa ho voatahy manokana ianao amin’izany.
“Ilay nahakivy” no anarana niantsoan’ny raiko ahy, hahaha !! Ary marina izany ! Raha ny fiainako taloha no jerena dia tsy ho afaka nanohy toy izaho aho, ary tsy ho tonga amin’izao toerana misy ahy izao mihitsy !
Nampijalian’ny aretina noho ny fikorontanana ara-tsakafo aho nandritry ny fito taona, ary efa saika nitarika hatramin’ny fahafatesako izany. Ny mpitsabo efa nanambara fa ho faty aho… Fa tsy maty aho !
Rehefa tafavoaka tamin’io toe-javatra io aho tamin’ny farany, dia voaolana indray, rehefa nisy nanome zava-mahadomelina. Naniry ny ho faty indray aho noho izany – fa tsy maty !
Taona maro taty aoriana indray, niaraka tamin’ny olona aho, ary nandritry ny fiarahanay dia tsy tsapako akory hoe tafalatsaka tao anatin’ny fiarahana manimba ny tenako aho, izay nahitana fanararaotana ara-pihetsem-po. Vao tsy ela akory izahay no niresaka momba ny fanambadiana, dia indro fa vehivavy hafa no nalainy vady… Tao anatin’ny fahakiviana lalina, nirodana tanteraka ny fiainako…! Naniry ny ho faty indray aho – fa tsy maty !
Izay ny momba ahy, izay ny tantarako … fa mety ho tantaranao koa angamba izany ry namako ?
Fa fantatrao ve ny nataon’Andriamanitra tamiko tamin’ny alalan’ny tantarako ? Niasa mafy tokoa Izy teo amin’ny fiainako ka afaka milaza amim-pahatokiana aho anio fa Izy irery no afaka manova ny zavatra rehetra, eny na izay heverinao fa tsy misy vahaolana intsony aza.
Mety hitovy ny tantarantsika na tsia ry namako, fa kosa, ny Andriamanitsika dia mitovy na amiko na aminao ! Noho izany, ny fahagagana nataony tamiko dia azony atao aminao, na dia mbola tsy tsapanao aza izany ankehitriny !
Tsy nitondra anao amin’izao lalana izao Andriamanitra mba hanary anao !
Rehefa nilaza izy hoe : “Ary Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao”. (Matio 28.20) – tena marina tokoa izany ! Ny ratra izay nahaketraka anao dia afaka hiova ho fahagagana mitondra hery lehibe !
Ary hamafisiko tanteraka izany : “Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho.” (Salamo 30.3). Izany koa no tiany hatao aminao !