☝️ Iza no afaka manana herim-po be kokoa mihoatr’izay ananany ?
Tiako ho faranana amin’ny firesahana momba ny olona be herim-po indrindra teto an-tany , ity andian-kevitra momba ny fananana herim-po ity. Mino aho fa hainao avy hatrany hoe iza no tiako resahina e ?
Hoy ny voalazan’ny Baiboly : “Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ny mpanjakan’ny voninahitra. Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.” (Salamo 24:7-8).
Eny, Andriamanitra no manana ny herim-po lehibe indrindra manerana izao tontolo izao : tsy matahotra an’iza na iza Izy ary tsy misy afaka manohitra Azy !
Naharesy ny fahafatesana sy ny haizina Izy, sady Andriamanitra no olona. Jesosy niatrika ny fakam-pahanitsika rehetra, ny tahotra ny tebitebintsika rehetra, ary dia resiny avokoa ireny.
Namakivaky tafiotra mahery ary nampangina izany. Nitory teny tamin’ny olona tamim-pitiavana sy herim-po Izy. Nampitombo isa ny mofo Izy rehefa tsy tsy nisy azon’ny olona natao, nanasitrana ireo izay nangataka famonjena taminy ihany koa Izy.
Nanao fahagagana ary nampifaly ny fon’ny maro Izy. Tao Getsemane kosa indray, na dia namely mafy ny fanahiny ny tebiteby satria tonga ny fotoana, dia tsy nanakana Azy ihany koa izany : nandray hery tao amin’ny Tompo Izy ary nandroso hatrany, ka tonga mpandresy teo amin’ny hazo fijaliana.
Teo Jesosy no nanome ny ainy, mba hanavotany antsika mandrakizay. Tsy zava-mahatalajona ve izany ?
Jesosy no mpamonjy lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, Izy no olona teto an-tany manana herim-po indrindra. Ary hainao hoe mbola misy tsara noho izany ? Miantso anao Izy hanaraka Azy , handeha amin’ny lalany.
Eny, ry namako, Jesosy no loharanon’ny herim-po ao aminao ! Mivavaka aho mba ho lehibe indrindra ny fifandraisanao Aminy ka tsy misy hahasakana anao ho fitahiana ho an’ny manodidina anao ! Mandrosoa amin-kerim-po sy fahazotoana amin’ny izay iantsoany anao. Ianao sisa no andrasana !