☎️ Maheno ahy ve ianao?
Efa nanandrana nanamboatra finday tamin’ny fitoerana yaorta ve ianao tamin’ny mbola kely ?Izaho manokana tena mahatsiaro ilay andro izay nampianaran’ny mpampianatra anay ny fanamboarana izany. Samy nitondra ny fitaovana ilaina izahay : kaopy plasitika 2 na fitoerana yaorta madio, hazo kely fisokirana nify 2 ary tady kely.Niaraka tamin’ny fanampian’ny mpampianatra dia, nasinay lavaka kely teo amin’ny lohan’ny plasitika mba ampidirana ilay tady kely. Rehefa avy eo dia, nasianay fatotra tamin’ny alalan’ilay hazo kely mba tsy iala intsony ny tady. 😅 Ary dia, afaka nanao andrana ny traikefanay izahay ! Tsiroaroa, mifanatrika, nahinjitray ny tady ary nanomboka nifampiresaka sy nifampihaino izahay, mandeha tsirairay. Dia nety ilay izy ! 🎉Akory ny hagagana ! Miresaka dia miandry valiny amin’ny alalan’ny fitoerana yaorta dia tena zavatra tsy mampino ho ahy =) Alavitra ilay namako aho, kanefa, afaka nihaino azy toy ny hoe tena akaiky ahy izy, mibitsibitsika ny valin-teniny eo amin’ny sofiko mivantana. Ao amin’ny Salamo 34, ny mpanjaka Davida dia mampahery antsika hatrany milaza hoe : “ Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.” (Salamo 34:4). Jereo izay lazainy : Nitady an’i Jehovah aho. Misy zavatra miseho rehefa mitady an’Andriamanitra amin’ny fonao manontolo ianao.Maheno anao Izy rehefa mitady Azy ianao. Tsy hoe tsy te ahalala anao !Nanafaka ahy Izy. Miasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra rehefa manasa Azy hiasa amin’izay zava-misy eo aminao.Amin’ny tahotro rehetra. Tsy misy na dia tahotra iray aza ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra !
Ry namako, maheno anao Andriamanitra. Mety miteny ianao hoe mivaingana toy ny finday namboarina tamin’ny fasiana yaorta ny fiainam-bavakao…Ny tena marina anefa, Andriamanitra mihaino ny teny tsirairay izay lazainao Azy ary miasa amin-kery Izy rehefa mitady Azy amin’ny fonao rehetra ianao.Anio, ario eo an-tongotr’i Jesosy ny tahotrao sy ny fanahianao rehetra, ary raiso ny fiadanany sy ny hafaliany. Manomboka anio, entintsika am-bavaka manokana i Madagasikara, mihotr’izay efa nataontsika taloha. Tena mila izany ny vahoaka sy ny tanindrazantsika. Rehanao ve ity antso ity ary hamaly ve ianao ? Manantena aho fa ho eny ny valiny …Misaotra ny amin’ny fanoloran-tenanao.