☀️Tamin’ny fomba ahoana no nanombohanao ny tontolo andronao ?
Efa nisy andro ve ianao nifoha maraina ka avy hatrany dia fantatrao hoe “nisy nifoha talohako ». Ary tsy olona no resaka eto fa vesatra, alahelo izay tsy azonao ! Tsy misy antony mazava nefa dia tena eo izy.
Ry namako, nandalo izany aho tamin’ny ririnin’ny taona lasa. Nifoha maraina aho ary nalahelo. Niezaka nanova ny eritreritro aho mba hanariana dia, saingy tsy nisy vokany izany. Minitra vitsy taorian’izay dia nalahelo indray aho ary te hiafina tsotra izao. Ary izany rehetra izany dia tsy fantatro ny antony…
Raha ao anaty toe-javatra mitovy amin’izany ianao dia ho takatrao ny voka-dratsiny. Tsarovy ny nosoratan’I Davida : “Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. Nialoha ny fiambenana amin’ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.” (Salamo 119:147-149)
Tsy ho olona milamina tsara mihitsy ny olona mitalaho fanampiana tahaka izany… Tsy nanam-pilaminana I Davida ry namako ! Ary mateti-pitranga izany. Saingy teo anivon’ny alahelony lehibe indrindra dia tsy nitsahatra nanambara izy nanao hoe :
“…Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be.” (Salamo130:7) “Niandry an’i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.” (Salamo 130:5)
Manantena ny Tompony amin’ny fony manontolo izy. Ary ambonin’ny faharerahany sy ny alahelony dia vonona ny hiandry ny fahagagany…Woah !
Tsy manaiky hotarihin’ny fihetseham-pony i Davida. Vao mainka aza nampitainy sy nentiny mivantana teo amin’Ilay manana ny famonjena ireo satria fantany fa hitranga ny fahagagana !
Ry namako, ianao ihany koa tiako ankaherezina mba hanova ny fihetseham-ponao ho fanantenana. Zonao izany, ary aoka ho vonona hiandry ny fahagaganao ianao satria Andriamanitra dia tsy miova mandrakizay !
Tsy tokony hitarika anao ny fihetseham-ponao fa tokony hotarihinao ! ENY !
“Tsara Izy (ny Tompo), ary manana fanavotana be” (Salamo 130:7)