☀️🌤️ Rehefa mameno ny sainao ny lanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ☀️🌤️ Rehefa mameno ny sainao ny lanitra

Raha araka izao lohateny mahaliana be izao, mety efa tsapanao angamba fa maro ireo eritreri-dratsy mitady hirongatra ao an-tsaintsika… mihoatra lavitra noho izay heverintsika!

Raha nampihatra ireo torohevitra notanisaina omaly ianao dia fantatrao tsara ireo karazana eritreri-dratsy. Ireo asain’ny fahavalo inoanao mba hanjakazakany sy hifehezany anao rehefa ela ny ela.

Fotoana izao hanovana ny fomba fisainanao. Araka ny Tenin’Andriamanitra hita teo aloha, ny Apôstôly Paoly dia namporisika antsika handinika zavatra maromaro.

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fiainanao raha toa ka manapa-kevitra ianao ny hanalavitra ireo fanaratsiana sy eritreri-dratsy, ka ny sainao dia tsy hifantoka afa-tsy amin’ny:

  • Fahamarinana: mifantoha amin’ny Fahamarinana, ary halaviro izay mety ho endrika lainga ataon’ny maizina momba ny hafa na momba anao.
  • Mendri-kaja: Ny eritreritrao dia dian-tanan’ny fahatsoram-po sy mangarahara an’ny fanjakan’ny lanitra.
  • Rariny: Katsaho mandrakariva ny rariny ary aza fenoina ny tsy rariny ny sainao.
  • Madio: Ny eritreritrao rehetra heniky ny fahadiovana sy fahazavan’ny fisian’Andriamanitra
  • Mahatehotia: Aza misaina ratsy momba ny hafa ary aza masiaka amin’izy ireny! Fa miezaha mandrakariva ny hahita izay tsara ao aminy, irio soa amin’izay fomba rehetra mety.
  • Mendrika: Eritrereto izay zavatra rehetra mendri-pankasitrahana, izay azonao ankalazaina ahitana taratra an’Andriamanitra.

Ary farany, ity andinin-teny amin’ny heviny hafa ity dia mamporisika antsika mba hihevitra ny “amin’izay marina sy tsara laza” (Filipiana 4:8)

Azonao an-tsaina ve ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainanao, ny amin’ny sainao henika lalandava ny zava-tsoa, tsy mba misy eritreri-dratsy? Ho feno kokoa ny fiainanao, miampy ireo fitahiana maro avy any an-danitra!

Ry namako, avelao ny lanitra hameno ny sainao!

Anio, manana fahafahana ianao ny hiaina izao zava-baovao izao amin’ny fiainanao.

Rahampitso aho hiresaka aminao misimisy kokoa momba izany ;D

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!