⏰Izao no fotoana ho amin’ny mihoatra lavitra !
Inona ny fahazaranao ry namako?
Heveriko fa tsara ny mandinika an’izany. Satria eo no ahatsapantsika ireo fahazarana efa niainantsika hatramin’izay ka nanjary nametra na nanery antsika.
“Tsy misy na inona na inona miraikitra amin’ny tenanay, mihoatra noho ny fahazarana!”
Vao haingana aho no naheno an’io fehezanteny io tamin’ny horonan-tsary iray tao amin’ny tambazotra TikTok. Tsy dia maheno zavatra marina loatra ianao any, fa io fehezanteny io dia nampieritreritra ahy. Eny tokoa, samy manana ny fahazarantsika isika izay ahazoantsika aina, na tsara na ratsy izany..
Saingy misy zavatra iray afaka manafaka ny fahazarana REHETRA: ny fitiavana.
Efa nitia ve ianao ry namako?
Izay tia dia manao zavatra tsy mbola nataony mihitsy tany aloha. Tsaroako ery ny fahazotoko nampiditra ny kiraro fanaovana dia tongotra, tamin’izaho raiki-pitia, nitsangatsangana teny an-tendrombohitra niaraka tamin’ny namako, na dia tsy nanana fitiavana an’izany mandeha tongotra lavitra izany mihitsy aza aho!
Ary ny fiafaran’ny tantara: nanomboka tamin’io andro io, dia lasa nahay nankafy ny eny tendrombohitra aho, ary naniry ny hanana fotoana handehandehanana eny indray.
Aza avela ho voafatotry ny fahazaranao ny tenanao, fa Andriamanitra hanitatra ny lalanao!
Ry namako, tena mahakasika ahy manokana ireo teny ireo momba anao. Mino aho fa eo amin’ny fiainanao koa dia izao no fiandohan’ny “fotoana ho amin’ny mihoatra lavitra”!
Miantso anao Andriamanitra anio: “Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany”. (Isaia 43.19)
Na izany aza, ry namako, ilay “vaovao” dia mety tsy hifanaraka amin’ny fahazaranao. Ianao dia mety ho anisan’ireo namaky ny Baiboly, ary nanakombona izany sady niteny hoe: “Ampy ahy izay. Aleo ho an’ny hafa ny fanatanterahana ireo “zavatra lehibe” ireo.
Ny vavaka ataoko ho anao anio dia ny mba hahitanao indray ny afon’ny fitiavanao voalohany an’i Jesosy mahafinaritra, ary ny fahatsapana izany fitiavana izany dia hahatonga anao hiroso hihoatra ny fahazaranao sy ny fomban-drazanao.
“…Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo…” (Hebreo 3.7-8)