⌛️ Mifantoha amin’izay maharitra mandrakizay !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⌛️ Mifantoha amin’izay maharitra mandrakizay !

Tonga eo amin’ny fiafaran’ity andiany iray ity isika izay nahitantsika ireo fihetsika samihafa nananan’ireo rahavavin’i Lazarosy tamin’ny fandalovan’I Jesosy.

Rehefa avy nilaza tamin’i Marta I Jesosy fa i Maria no nifidy ny anjara tsara, dia nampian’i Jesosy fa “  tsy halaina aminy” izany ampahany izany. (Lioka 10:42).

Tena zava-dehibe izany ! Na inona na inona ataontsika eto amin’izao tontolo izao, raha tsy tarihan’ny Fanahy Masina isika dia tsy hitondra izany miaraka amintsika isika, amin’ny farany.

Tsy hisalasalana fa hitahy ny hafa isika rehefa manorina orinasa, mividy trano, manatsara ny asa fanompoana ao amin’ny fiangonana, na zavatra hafa.

Fa amin’ny fiafaran’ny zava-drehetra, ny tena zava-dehibe dia ny zava-bitantsika niaraka tamin’Andriamanitra, tamin’ny Alalany sy ho Azy.

Tiako raha dinihanao izao voalaza izao : ny fotoana manokana rehetra iainanao miaraka amin’Andriamanitra, eo amin’ny Fanatrehany, dia hiaraka aminao mandritra ny androm-piainanao.

Tsy misy afaka manaisotra izany aminao, satria anisan’ny tantaranao miaraka amin’Andriamanitra ireo fotoana ireo. Ary toy izany koa, ny asa rehetra izay ataonao aminkitsipo, miaraka amin’ny fitarihan’ny Fanahiny, dia ho harena sarobidy izay hotsaroana mandrakizay.

Izany rehetra izany dia ampahany amin’ilay trano volamena, volafotsy ary vatosoa izay resahina ao amin’ity andinin-tSoratra Masina malaza ao amin’ny Baiboly ity : 

Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany,  ka dia hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany izy.” (1 Korintiana 3:12-15).

Ny “ampahany ratsy” :  ny ahiahy, ny adin-tsaina ary ny tebiteby, dia tsy ilaina ary tsy maharitra. Fa ny “ampahany tsara”, dia ny fijoroana eo an-tongotr’i Jesosy sy ny fanarahana ny feony, dia tsy hesorina aminao mihitsy !

Ry namako, mifantoha amin’izay tena zava-dehibe anio, amin’izay maharitra mandrakizay !

Mivavaka aho mba hanokatra ny mason’ny fahatakaranao ny Tompo ary hanambara bebe kokoa ny Fanatrehany anao anio.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!