↩️ Miverena amin’ny voalohany!
Raha mieritreritra ny fanomezana lehibe indrindra azonao ianao, dia azo inoana fa anisany amin’ireo ny fiainana sy ny famonjena. Raha ny marina, amin’ny maha-Kristianina antsika dia azo inoana fa hifidy ny famonjena isika amin’ireo roa ireo satria fantatsika fa tamin’ny alalan’izany no namelana ny helotsika sy ahafahantsika hiaraka amin’ny Tompo mandrakariva any amin’ny fiainana mandrakizay.
Eny, ny famonjena dia mitoetra ho fanomezana sarobidy indrindra, na dia toa indraindray aza dia ampirimintsika any anatin’ny talantalana any izany, feno vovoka, toy ny amboara tranainy izay zara raha tsaroantsika.
Ny marina dia io no fanomezana sarobidy indrindra noraisintsika hatramin’izay, satria ny vidiny naloan’i Jesosy mba hahazoana izany no ambony indrindra tsy nisy nahavoaloa, ary noho Izy no nahazoantsika fiainam-baovao hatramin’izay.
Ity fanomezana izay nanaitra antsika sy nahatonga antsika hanonofy tamin’ny voalohany ity, dia tokony haverina hampanonofy antsika indray anio !
Izao no nolazain’ny Tompo tamin’ny fiangonana tany Efesosy rehefa nanary ilay fitiavany voalohany izy ireo: “Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany” (Apokalypsy 2:5).
Ry namako, anio no andro hiverenana amin’ny asa voalohany. Anio no hahatsiarovanao ny toetranao talohan’ny nahafantaranao an’i Jesosy sy ny fiovana nentin’ny fihaonanao Taminy teo amin’ny fiainanao nanomboka teo.
Tadidinao ve ny fihetseham-ponao tamin’izay? Tadidinao ve ny zavatra niainanao rehefa tsapanao fa tena nisy i Jesosy ary tia anao Andriamanitra?
Tsaroako ireo andro sarobidy taorian’ny nihaonako Taminy, nandaniko ora maro nisaorana an’Andriamanitra noho ny fiainana vaovao nomeny ahy, namaky Baiboly, ary naka sary an-tsaina foana hoe manao ahoana izany miaraka amin’i Jesosy any an-danitra izany.
Avereno eo amin’ny fiainanao indray ireny fotoana ireny, ry namako, ary avelao hiredareda ao anatinao indray ny afon’ny fitiavana voalohany.
Fahagagana ianao!