🤔 “Iza no nikasika ahy?”

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤔 “Iza no nikasika ahy?”

 “Kanefa izaho, amin’ny maha-ray ahy, dia mahatsiaro ho tsy afa-manao na inona na inona.”

Tahaka ny baomba tao am-poko ny teny nolazain’ity mpandraharaha tena nanana ny maha izy azy ity, rehefa avy nanao famelabelaran-kevitra tena tsy mampino izy.

Tamin’ny fiafaran’ny tontolo andro iray izay tena mafy, dia nihomehy aho raha mbola nihinana lasopy tamim-pifaliana  iny sady niteny hoe: “Sarotra ny hino fa izaho dia olona narary tsy misakafo ary tsy te ho velona intsony!”

Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia trotraka tanteraka ity lehilahy izay vao avy naneho ny fahaiza-manaony nandritra ny tontolo andro ity: “Ny zanako vavy roa dia marary tsy misakafo ary izaho, amin’ny maha-ray ahy, dia mahatsiaro tena ho tsy afa-manoatra!”

Ry namako, tonga dia tsaroako ny tantarako manokana. Tamin’izany fotoana izany, ny raiko dia tsy nanana ny enti-manana ara-bola  tahaka ny nananan’io lehilahy manan-danja teo anoloako io. Saingy nanana fanohanana tsy hita maso izy, kanefa tena azo tsapain-tanana.

Betsaka ny olona miankina amin’ny zavatra azo hifikirana vonjimaika. Kanefa, ny tena ilainao dia ny fanohanana izay hihazona anao amin’ny fotoana rehetra. Izany no mahatonga ity fanontaniana ity ho zava-dehibe amiko anio: “Manana fanohanana izay mihazona anao foana ve ianao, ry namako”?

Ry namako, mamaky ny momba an’ity vehivavy narary ity isika ao amin’ny Baiboly, izay narary mandeha rà nandritra ny 12 taona: “izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.”. (Lioka 8.43)

Tsy fanafody ny fanohanana azy. I Jesosy no nanohana azy. Noho izany: “…dia nankao ivohon’i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’izay dia nijanona ny aretiny.” (Lioka 8.44)

Hoy i Jesosy: “Iza moa no nanendry Ahy?” (Lioka 8.45)

“…Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.” (Lioka 8.46)

Ry namako, tiako ny mampahatsiahy anao anio, amin’ny alalan’ity tantara ity, fa aza mbola avela aloha izay efa tsy nantenainao intsony! Satria io hery avy amin’i Jesosy io rehefa mikasika Azy ianao, no hery afaka manova ny ratranao ho fahagagana!

Ry namako, efa misokatra ny lalana! Tsy mila mijanona intsony ianao raha Jesosy no manohana anao!

Tsy hoe tsy manan-kery ianao, satria handroso ianao, ary hahery amin’ny Alalany!

“Kasiho Izy” anio mba hiraisanao Aminy ao anaty vavaka!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!