🤷 Nahoana ny olona no samy hafa ?
“Raha fantatray hoe iza ianao dia nanasa olona betsaka kokoa izahay”.
Tena efa imbetsaka aho no naheno io fehezanteny io taorian’ny fampisehoana nataoko nandritra ny taona maro. Nanazava tamiko ihany koa ireo mpikarakara fa ninia tsy nanasa ahy izy ireo satria tsy mitovy amin’ny fahitany ahy eny an-tsehatra aho, noho ny fanaovako kiraro avo loatra, sns.
Rehefa namboraka ny foko teo imasom-bahoaka aho ka afaka hitan’izy ireo ny fahamatoran’ny fifandraisako amin’i Jesosy dia maro no nanenina tamin’izay nolazainy ! « Indrisy, nanenina aho tsy nanasa ireo mpifanolo-body rindrina tamin’ity fotoana takariva ity… »
Mety misy amin’ny manodidina anao angamba mitsara momba ny fiainanao. Tsy maninona izany, raha toa ka mandroso sy mitia hatrany ianao! Tsy ho fantatry ny olona avy hatrany ny momba anao sy ny toetranao!
Mendri-piderana kokoa io fanomezam-pahasoavan’ny finoana io izay aseho amintsika amin’ny fomba samihafa! Tahaka ny naharian’Andriamanitra ny olombelona tsirairay ho samy hafa, dia manana ny fifandraisany amin’ny tsirairay avy amin’ny fomba miavaka koa Izy. Izay no hahafahany mikasika fiainan’ny olona maro, amin’ny fomba isan-karazany!
Mila anao amin’ny maha ianao anao ny olona tsirairay !
Miverina ny tantara raha ny marina : tahaka an’I Abrahama, izay nanafina tamin’i Abimeleka Mpanjaka fa vadiny Saraha. Fahafaham-baraka tanteraka ny azy rehefa fantatra izany, taorian’ny nanambadian’i Abimeleka azy koa ! Tantara izany !
Hoy i Abimeleka nanohy : « Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?” (Genesisy 20:10) Fanontaniana tsara fipetraka tokoa izany !
Namaly i Abrahama nanao hoe : “Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra tokoa amin’ity tany ity”. (Genesisy 20:11).Tena fitsarana ivelany tokoa izany satria nanaja fatratra an’Andriamanitra, izay niseho taminy tanaty nofy ny Mpanjaka !
Ry namako, ao anatin’ity hafatra ity dia hianatra hitia ary hanaja ny olona tsirairay amin’ny fomba fiainany sy ny fomba manokana hanehoany ny finoany an’Andriamanitra isika ! Satria miaraka ihany no ahafahantsika mitondra fiovana ety amin’izao tontolo izao !
Ary noho izany dia mila antsika TSIRAIRAY avy Izy !