đź’Ş đź’Ş Ny tsy azo atao dia lasa azo atao!
Ry namako, manana nofinofy goavana ve ianao ka heverina tsy ho tratra mihitsy? Maniry hiala amin’ny mamatotra anao ve ianao-mety hoe fijerena horonan-tsary mamoafady-izay manalavitra anao amin’ny fifaliana?
Raha izay dia amin’ny toerana mety ianao! Eo anoloan’Andriamanitra! Miaraka amin’ny fandresen-dahatrao….!!!Mino ve ianao?Ary tsy miteny aho hoe: “Inoanao ve fa afaky ny ho tanteraka ny nofinao?” fa kosa hoe :”Mino an’Andriamanitra ve ianao?”
Tiako ho hita ny endrikao izao satria inoako marimarina fa hamaly ianao hoe : “Izay mihitsy raha tsy izany ve izaho hamaky ny hafatrao eto!”
Namerina namaky ny tantaran’i Abrahama sy Saraha aho. Ny fomba namelan’Andriamanitra an’i Saraha izay momba sy efa 90 taona ho bevohoka! Na i Abrahama aza mety tsy nino izany tany amin’ny nofiny!
Rehefa nanambara izany taminy Andriamanitra dia nandohalika izy ary niankohoka tanteraka no nitsiky! (araky ny Genesisy 17:17) Tsy nino izay nolazain’Andriamanitra izy! Kanefa ao amin’ny bokin’ny Hebreo dia mamaky toy izao isika hoe: “ …fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. Koa dia avy tamin’ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ny maro…”(Ampahan’ny Hebreo 11:11-12)
Nanana ny hery hametraka zaza tao amin’i Saraha, izay efa momba, i Abrahama, ary tamin’ny fotoana efa tsy azo noheverina ho tanteraka intsony.
Teto koa dia ny finoany no antony. Resy lahatra i Abrahama fa ilay nampanantena azy zanaka dia afaka hatokisana.
Teo anelanelan’izay dia nisy zavatra nitranga tao am-pon’i Abrahama. Nosoloiny fahatokiana ny fisalasalany ary niainany noho izany ny fahagagany!
Ny tsy azo atao dia afaka atao rehefa mino sy mametraka ny finoana ao amin’Andriamanitra ianao!
Ato anatin’ity fehezan=teny ity ny fanalahidy: Abrahama dia resy lahatra fa ilay nampanantena azy zanaka dia afaka hatokisana.
Te hanontany anao koa aho ry namako hoe resy lahatra ve ianao fa ilay miteny hoe : “ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.!” (Jaona 8:32) dia azo hatokisana?
“Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6)
Indro ny tiany atolotra anao anio: “ Te hanafaka anao Aho ry namako raha hapetrakao Amiko ny fahatokianao, ka asandratrao anaty vavaka ny masonao ety Amiko ka inoanao ny fahagananao!”
Vonona ny hanova ny fisalasalanao amin’ny fahatokiana ve ianao ry namako?