đź’† Naka aina tsara ve ianao ?
Manao ahoana ianao ry namako ?
Nomarihiko fa vitsy ny olona izay anontaniana hoe : “Manao ahoana ianao?” no mamaly hoe : “Misaotra fa tena ao tsara aho!”
Ny marina dia na izaho aza dia manampy matetika hoe :”Misaotra fa salama aho…,nefa…”. Ary rehefa mandinika akaiky io “nefa” io aho dia mifandraika amin’ny hoe tsy nahazo aina tsara aho. Salama aho, “fa” bobaka ny mbola tokony atao…vizaka tanteraka aho!
Kanefa dia maka fotoana eo amin’Andriamanitra isan’andro aho, mivavaka, ary miezaka manao ny Sitrapony. Kanefa ny fahavizanako dia manosika io “fa” io eo am-bavako, ho valin’ilay fanontaniana hoe “ Manao ahoana ianao?”
Rehefa tonga saina aho vao aingana, dia sorena tamin’ny tenako aho nandre ahy niteny foana hoe “Misaotra fa salama aho, nefa….” Haha. Inoako marimarina fa tsy izany ny sitrapon’Andriamanitra ho antsika!
Manomboha maka aina mba hiverina ny fifalianao!
“Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy.” (Genesisy 2:3)
Fantatrao ve hoe impiry io andro fahafito io no miverina? Indray mandeha isan-kerinandro! Eny e, fantatrao izany ry namako fa midika inona aminao izany? Andriamanitra Tenany aza naka aina toy izany! Izy, Andriamanitra!
Voatery nitsiky aho raha nikaroka tao amin’ny aterineto ny tena dikan’ny hoe “maka aina” ka nahitako ny ohatry ny tetezana: “Ny tetezana dia azonin’ny andry telo”.
Ianao koa dia afaka miankina, mitsotsotra, maka aina- amin’ireo andry 3 ireo:
- Eo amin’Andriamanitra Ray izay nampianatra anao ny FAKANA AINA izay tokony tafiditra amin’ny fahazaranao amin’ny fiainana.
- Eo amin’i Jesosy izay nitondra ny helokao rehetra sy ny fanamelohana anao mba ahafahana MAKA AINA
- Ary ny Fanahy Masina izay mampatsiahy anao tsy tapaka hoe mila io FAKANA AINA io ianao mba hamadihanao ny “ Misaotra fa salama aho, nefa…” hoe “ Misaotra fa tena ao tsara aho”.
Ry namako, hiezaka ve isika – ianao sy izaho- manao fiezahana hahita izany fitsaharana irin’Andriamanitsika izany?