❤️ Te hanome izay irin’ny fonao Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ❤️ Te hanome izay irin’ny fonao Andriamanitra

Anisan’ny zavatra sarobidy indrindra ho an’ny ray aman-dreny ny mahita ny zanany ho sambatra. Ny masony mamiratra rehefa manokatra fanomezana na koa rehefa mahazo zavatra efa nandrasany hatry ny ela dia ampy hampitsonika ny fontsika.  Zava-tsarobidy loatra izany!  =)

Anio, tiako raha mba mandinika izao teny izao ianao: Andriamanitra dia ilay Ray tonga lafatra, dia tahaka izany koa, hipoky ny hafaliana koa Izy rehefa mahita anao mahazo ireo fanomezana atolony!

Raha ny marina, jereo anie ity nolazain’I Jesosy ny mpianatra: “Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.” (Jaona 16:24) Jesosy tenany mihitsy no mamporisika ny mpianatra mba hangataka zavatra amin’ny Anarany, mba ahafahan’izy ireo miaina fifaliana tanteraka!

Tena mahaliana ny nanasongadinan’i Jesosy hoe ny fandraisana ny zavatra nangatahintsika tamin’Andriamanitra dia mahafeno ny fifaliantsika.

Tsy hoe tsy lalina tsy akory ilay fifaliantsika teo aloha, satria amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika, ananantsika mandrakariva ny fifalian’ny Fanahy, ilay vokatra sarobidin’ny fanatrehany eo amin’ny fiainantsika.

Na izany na tsy izany aza, rehefa mandray ireo zavatra nangatahintsika tamin’Andriamanitra isika, dia misy zava-mahagaga mitranga : sady mifaly amin’ny valinteny avy amin’Andriamanitra ny saintsika, fa koa hipoky ny hafaliana ny fanahintsika. Mitambatra ny saina sy ny fihetseham-pontsika mba hahazo refy feno ny hafaliantsika, ka mandrakotra ireo lafiny maha olombelona antsika rehetra.

Ankoatra izay, diniho koa ny fomba nilazan’I Jesosy ity: “Mangataha dia homena ianareo”.  Tsy misy isalasalana amin’ity fanambarana ity, na ny mety hisian’ny zavatra “tsy hahomby” amin’ny farany.  Araka ny voalazan’ny Teny, rehefa mangataka zavatra amin’ny toe-po marina amin’Andriamanitra isika, dia miasa Izy.

Tsarovy ity Tenin’Andriamanitra iray fanta-daza ity manao hoe “Ary miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao. (Salamo 37:4)

Ry namako, manasa anao Jesosy mba hangataka Aminy am-pinoana, sady finaritra Aminy!  Ny fitambaran’ireo singa roa ireo dia hitondra valim-bavaka ary noho izany, fifaliana tonga lafatra kokoa eo amin’ny fiainanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!