đź‘Ł Eny am-pandrosoana no miseho ny fahagagana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘Ł Eny am-pandrosoana no miseho ny fahagagana

“Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; ary amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.” (Isaia 42.16).

Efa nangataka anao hanao dingana amin’ny zavatra mbola tsy fantatrao ve Andriamanitra, ry namako? 

Mety izany indrindra angamba no andrasany aminao anio, iza no mahalala? Raha izany tokoa no izy, dia te hampahery anao dieny mialoha aho mba tsy hatahotra!

Ho maro tokoa ny fanontaniana hipetraka aminao, satria tsy mbola fantatrao izay zavatra ho hatrehanao ary rariny raha tsy mazava tsara aminao ny fomba hiatrehana izany. Tsy mbola niaina izany ianao teo aloha! Ary mety hanao fahadisoana aza ianao amin’io lalana vaovao io…

Aza manahy fa vetivety foana dia ho azonao izany. Ankehitriny dia :

Mandehana fotsiny aloha mba hahafahanao mandroso.

Ry namako, mifalia rehefa misy lalana vaovao misokatra ho anao ary aza avela ho levon’ny tahotrao izany fifaliana izany!

Fantatrao ve, ry namako, fa rehefa nasaina nanoratra ireto lahatsoratra ireto ho an’ny “Fahagagana Isan’andro” aho, dia niaina toe-javatra mitovy amin’izany . Nanontany tena aho hoe: “Ahoana no hahavitako an’izany? Hanana hevitra vaovao isan’andro ve aho? Ho azon’ny mpamaky ve ny tiako ambara? Hitsikera ahy ve izy ireo…?”

Ary azonao inoana fa fanontaniana an-jatony fara fahakeliny no nandeha tao an-dohako. Nefa Andriamanitra dia niteny ahy mazava tsara… fa izany no IRAKO… ary anio aho dia miaina izany fitahiana lehibe izany!

Raha miantso anao hanatanteraka iraka Andriamanitra anio dia ataovy izany…. Satria eo anoloanao ny Fitahiany lehibe!

Ry namako, mety eo ampamakiana ity no miteny amin’ny tenanao ianao hoe: “Eny, efa niainga aho kanefa tsy mbola miaina izany fitahiana lehibe izany. Mifanohitra amin’izany, ny tahotra no manjaka.” Aza avela hikorontana ny ao anatinao… Efa imbetsaka no niainako fa “eny am-pandehanana no miseho ny fahagagagana,rehefa manohy mandroso hatrany!”

Ary anio, na aiza na aiza misy anao, Andriamanitra dia te-hampahery anao! Aoka isika hivavaka sy hanambara amim-pinoana hoe: “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.” (Salamo 23.4)

Amen!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!