đź’§ Hitany ny ranomasonao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź’§ Hitany ny ranomasonao!

Fantatrao ve fa misy fotoana mba manontany tena koa aho hoe : “Nahoana aho no voatery manao izany rehetra izany?”

Mino aho fa ianao koa dia matetika manatratra ny fetranao amin’ny zavatra ataonao, ary mety hametra-panontaniana mihitsy aza hoe: “Nahoana aho no niteraka teto amin’izao tontolo izao?  Tsy mba manana ny fiainako manokana intsony aho!”

Ry namako, vao haingana mihitsy aho no kivy tanteraka, voaraby imbetsaka mihitsy aza, rehefa misy olona, izay tsy misy ifandraisany, mitady hanakely ny anjara asako. Ary dia gaga tamin’ny tenako aho rehefa tsapako hoe nanan-danja be tamiko ny tenin’ny hafa…Ary mampatahotra ny hafaingan’ny mety hinoantsika izay tenin’ny hafa…

Eny, fanamby ho ahy foana koa izany eo amin’ny lafiny ara-bola. Ary ireo olona ireo dia namporisika ahy mba “hanakely ny anjara asako ao amin’ny fanompoana, mba hahafahako mivelona tsara amin’ny fomba hafa “. Toa tahaka ny voafelaka aho?!

Ny ampitso maraina, nitomany mafy aho tao an-dakozia. Noho izany dia nametra-panontaniana ny amin’ny fiainako aho. Nanomboka nivavaka mafy indray aho hoe: “Jesosy Ă´, raha tsy sitrakao izao ataoko izao, raha tokony hajanoko, dia mba asehoy ahy!”

Nony kelikely, nanokatra bokim-pandaharana izay nomena ahy aho. Hitako tao anatin’izay ny tenin’i Bobbie Schuler manao hoe : “Manana antso goavana ho an’ny fiainanao Andriamanitra. Natao ho an’olona tena manan-danja lehibe izay antso izay, ary izay olona izay dia hitany AO AMINAO!”

Nampahery ahy tanteraka izany teny izany! Nampahatsiahy ahy ny marina!

Ry namako, te hiteny anao aho hoe natao ho anao ihany koa izany teny izany: mizotra amin’ny lala-marina ianao! Aza avela hisy hanakely ireo zavatra goavana izay natokan’Andriamanitra ho anao!

“Avy amin’i Jehovah no mahalavorary ny dian’ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.” (Salamo 37:23-24)

Mahafinaritra ery ny mandre izany! Ry namako, mahita anao Andriamanitra! Tia anao Izy! Haleloia! Mampijoro anao IZY, nefa ianao mbola manontany tena “raha ho vitanao avokoa izany rehetra izany!”

Hanampy anao IZY – hanampy ahy koa hatrany hatrany, satria TIANY ISIKA!

Raha mampihontsina anao ny ahiahy, mandehana am-pahatokiana miaraka amin’i Jesosy!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!