🏜️Mandalo tany hay ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🏜️Mandalo tany hay ve ianao ?

“Eo foana aho manampy ireo izay mila izany fa rehefa mba misy manjo ahy na mandalo zava-manahirana ahy aho dia tsy mba misy olona manampy ahy!”

Raha nanoratra tamiko izany ny mpamaky iray dia tsy ela mihitsy ny valin-teniko nanao hoe: “Haiko izany fahatsapana izany! Fantatro loatra ny tsapany!”

Kanefa dia ….fahatsapana fotsiny ihany izany!

Malaky sorena isika rehefa tsy mahazo ny fanampiana irintsika avy amin’ny manodidina antsika, kanefa dia hain’Andriamanitra ny zavatra REHETRA izay tsy hain’ny olombelona, 

“Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana…” (Ohabolana 4:23)

Mety milaza ianao hoe: “Izaho irery foana. Ary ilay nofinofy napetrak’Andriamanitra tato am-poko dia tsy mba afaky ny hiainako  – satria tsy mba misy manampy ahy”.

Hono ary…manontany anao aho hoe nahoana ianao no miandry fanampiana amin’ny olona nefa Andriamanitra dia afaka manome izay tsy afaka omen’ny olombelona?

Ry namako, maninona no kivy ianao satria tsy misy manampy anao kanefa dia nandray iraka mazava avy amin’Andriamanitra ianao – iraka izay tsy fantatr’izy ireo akory? Nomen’Andriamanitra fiainana ianao ary Izy no hanampy anao koa amin’ny manahirana anao. Ary toy izany koa ny amin’ny irakao: raha nankinin’Andriamanitra taminao io iraka io dia Izy ihany koa no hanampy anao ahatanteraka izany. 

Fafao ny ranomasonao ary mandehana eo amin’ny Fahazavany! Ary ao amin’ny Fahazavany dia ahita ny Fahamarinana isika izay voalazan’ny Salamo 36:9 : “ Fa ao aminao no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana”

Averiko indray: fafao ny ranomaso eo amin’ny tavanao dia mitoera eo amin’ny Fahazavany. Katsaho Izy, miantoraha Aminy, mivavaha, ary manantenà ny Tokiny. Ho azonao mora foana ny voasoratra ao amin’ny Salamo 23:4 hoe : “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko”

Ry namako, ankimpio ny masonao dia mivavaha ary sokafy ny fonao amin’ny fahamarinana!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!