đź“… Afaka ny hitranga izany anio !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź“… Afaka ny hitranga izany anio !

“Tafapetraka tao amin’ny trano fandroana aho. Nipotrapotraka ny ranomasoko (mihoatra noho ny ranon’ny trano fandroana)…Fa maninona no navelako nitranga izany?Potika tanteraka aho, malahelo, tsy nisy hery. Imbetsaka tanatin’ny tontolo andro aho ny nikiakiaka nitomany, nihiaka mafy, ketraka tanteraka aho!”  (Jolay 2017)

Tazako indray tanatin’ny kahie-ko izay noheveriko fa vaovao io resaka io.

Ry namako, pejy iray ihany no nosoratana fa ny teny rehetra dia nandona mafy ahy indray! Novakiako ary naveriko novakiana ary tsy nety nino aho hoe “izaho io”!

Kanefa ry namako dia nanao zava-mahagaga Andriamanitra tanatin’ny fotoana fohy.

Novainy tanteraka ny fiainako! Ka ankehitriny -noho ny niainako- dia mamporisika anao aho hahery indray! 

Ary tsy ho vizana aho hamerina izany foana ry namako, na mbola feno ranomaso aza ny masoko mahatsiaro ny lasako izay toa tsy mampino!

Amporisihiko ianao hino fa:

  • “ny zavatra REHETRA dia hain’Andriamanitra.” (Marka 10:27)

Ny REHETRA – REHETRA – REHETRA – REHETRA – REHETRA – REHETRA .

Miampy ary hoe: “Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.” (Marka 10:27)

  • Mihevitra ve ianao fa io atrehinao io dia tsy hisy fiovana antenaina intsony? Hain’Andriamanitra ny zavatra REHETRA!
  • Mitady ho rava ve ny tokatranonao? Hain’Andriamanitra ny zavatra REHETRA!
  • Mieritreritra ve ianao fa tsy mba ahita an’i Jesosy mandrakizay ny zanakao?Hain’Andriamanitra ny zavatra REHETRA!
  • Mihevitra ve ianao fa tsy mba ho tafita mandrakizay?Hain’Andriamanitra ny zavatra REHETRA!

“Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany….fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.” (Marka 10:27)

Miasa amin-kery ao anatintsika Andriamanitra. Ary rehefa mangataka zavatra Aminy isika dia mahay manao mihoatra Izy! Eny ny heriny dia mihoatra izay saintsainintsika! Ho Azy irery ny voninahitra…amin’ny fotoana rehetra ary ho mandrakizay! Amen (Efesiana 3:20-21).

Ry namako, inona no sehatra irinao hampiasana finoana indray ary ahatokianao fa Hain’Andriamanitra ny zavatra REHETRA?  Manasa anao aho hiaraka hivavaka amiko: “ Ray o, mino aho fa afaka atao ny zavatra REHETRA! Eny na amin’ny fiainako aza! Ary noho izany no hiderako Anao amin’izao fotoana izao! Amen”

Fahagagana ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!