Ravao ny planin’ny haizina !
Ny ady dia misy mandrakariva eo amin’ny fiainan’ny Kristiana, ary arakaraky ny mahalehibe ny antsonao no mahamaro ny ady hatrehinao.
Izaho manokana dia afaka mitsotra aminao fa ny hamafin’ny olana, ny ady, ny fiovana, ny fanapahan-kevitra lehibe nila noraisina, ny ezaka sy ny tsy fahazoana aina natrehako nandritra ny taona maro dia mihoatra noho ny an’ny ankamaroan’ny olona manodidina ahy.
Eny, toa mahatsapa ho miaina anaty ady tsy misy fiafarana aho indraindray. Ny tombon’izany rehetra izany dia nianatra nijoro sy nitoetra tamin-kery teo anivon’izay ady rehetra aho.
Raha ny marimarina kokoa dia nianatra nandrava ny planin’ny fahavalo aho. Rehefa tsinjoko ny planiny handrodana ahy amin’ny sehatra iray dia manao ny mifanohitra amin’izany aho. Ohatra hoe rehefa :
- Tojo trangan-javatra izay azo antoka fa hampikorontana ahy aho dia aleoko miatrika izany amim-pahatoniana.
- Misy toe-javatra iray manavesatra ahy ? Eo indrindra aho no mitsangana ho feno fifaliana ary mivavaka amin’ny Tompo am-pinoana.
- Mandondona eo am-baravarako ny fakam-panahy ? Tsy raharahiako izany ary atodiko amin’ny “izay rehetra mahatehotia” ny fifantohako (Filipiana 4:8).
Mahatezitra ny fahavalo io fihetsika io ! =) Mazava ho azy fa tsy tonga lafatra aho ary mila mihatsara amin’ny lafiny maro. Saingy ireo ady maro tsy maintsy natrehako dia nahafahako nitombo toy ny tsy mbola nisy hatrizay, ary fantatro fa manomana ahy ho an’ny antsoko ireny.
Hoy ny Baiboly hoe : “ Miadia ny ady tsaran’ny finoana…” (1 Timoty 6:12). Jereo ny fomba nilazana azy : tsy voatery ho ratsy ny ady, na koa tsy maintsy hiaina anaty zohy feno alahelo sy tebiteby. Tsia, tsy izany mihitsy ! Ny finoana dia ahafahanao mamadika ny adinao rehetra ho “ady tsara”. Ahafahanao mandrava ny planin’ny haizina izay mitsangana hanohitra anao ny finoana ary ahafahanao manova izany ho fitomboana sy famirapiratana misimisy kokoa.
Ry namako, raha mahatsapa ianao fa mitombo ny fanoherana manoloana anao dia aza manaiky resy ! Fambara tsara aza izany satria ny fahavalo dia manafika ireo izay tena atahorany indrindra. Koa mitsangàna ary mifikira amin’ny Tompo amim-pinoana ka ravao ny planin’ny haizina. Io toe-tsaina io no ahafahanao manatanteraka ny antson’Andriamanitra ho an’ny fiainanao, ary afaka ny hilaza toa an’I Paoly apostoly ianao any am-parany manao hoe : “Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahako aho, nitahiry ny finoana aho” (2 Timoty 4:7).
Fahagagana ianao !