🧥 Aza esorina ny akanjonao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🧥 Aza esorina ny akanjonao !

Ny avonavona no anisan’ny fahavalo voalohan’ny fiainana kristianina, indrindra rehefa tojo haavo vaovao amin’ny andraikitra na ny ministera sahanintsika isika.

Indray andro dia namaky tantara izay tena nampisy aingam-panahy ho ahy aho. Ny mpanoratra dia nitantara nofy izay nahitany ny tenany nisalotra ampinga fiarovana mamiratra be. Tena nampitolagaga izany satria sady tsara no namiratra ka azo nitarafana ny hazavan’ny masoandro tamin’ny lafiny rehetra, ka nahatonga azy tsy nahita tsara izay nanodidina azy.

Tamin’izay fotoana izay dia nisy nanolotra azy akanjo vita tamin’ny singa tsotra. Mazava ho azy fa tsy natao handrakofana ilay ampinga nanjelajelatra izany. Fa tamin’ny minitra norakofany tamin’izay ilay ampinga dia voatsikaritrany fa nanjavona ilay taratry ny masoandro be ary afaka nahita tsara indray izy.  Fantany teo fa niakanjo ny “akanjon’ny fanetre-tena” izy, izay tsy manan-tsahala satria dia nampiseho ny fahasoavan’Andriamanitra teo amin’ny fiainany.

Eo am-pitomboana dia anisan’ny fitaky ny fahavalo ny manajamba antsika amin’ny taratry ny avonavontsika sy ny endrika voninahitra, izay mitarika antsika hifantoka amin’ny tenantsika fa tsy amin’i Jesosy. Marobe ireo olona diso lalana sy namotsitra ny fahasoavana noho ny avonavona! Fahavalo mitsaika mora izy io fa mahafaty satria manomboka manajamba ny olona amin’ny zavatra bitika izay, miparitaka tsikelikely ka manova ny fomba fijery izay miteraka avonavona, endrika fanetre-tena diso ary ireo karazana toetra mamitaka amin’ny fiainana. 

Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena” (Jakoba 4:6). Ny fanetre-tena dia manokatra ny fahasoavan’Andriamanitra ahafahanao manatanteraka ny antsonao, tsy ahalavo anao na ho ahadiso lalana anao. Tena miankina aman’aina izany !

Ry namako, aza esorina mandrakizay ny akanjon’ny fanetre-tenanao. Hisalory mandrakariva izany ! Ny fahadiovam-ponao sy ny fanetre-tenanao tsy misy haitraitra dia hamela anao hahita mazava ny lalan-kizorana ka ahatohitra ny fahavalo.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!