Ezaho ny fiantsoana anao !
Ny antson’Andriamanitra ho an’ny fiainanao dia mety hifandraika amin’ny lafin-javatra samihafa, ao anatin’izany ny vina napetrak’Andriamanitra ao am-ponao. Ity vina ity dia ahitana tanjon’Andriamanitra manokana ho an’ny fiainanao, ary mitaky fotoana sy fahamatorana mba hisehoan’izany tanteraka.
Na izany aza, misy antso hafa eo amin’ny fiainanao izay natao ho an’ny Kristianina rehetra, ary tokony hizoranao mandrakariva.
Ohatra:
- Jesosy miantso anao ho “fahazavan’izao tontolo izao” (Matio 5:14). Raha ny marina, milaza Izy fa efa fahazavana ianao !
- Ny Tompo miantso anao ho “tia ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:39), ary hizara amin’ny hafa ny Fitiavana napetrany ao aminao.
- Andriamanitra mandrisika antsika hanana “fifaliana mandrakariva” (1 Tesalonianina 5:16), hifaly aminy na dia manoloana ny toe-javatra sarotra aza.
Izany toe-tsaina izany dia azonao kolokoloina dieny izao, na toy ny ahoana ny toe-panahinao. Andriamanitra miandry ireo vokatra ireo aminao isan’andro, satria ao anatin’ilay natioranao vaovao ao amin’i Kristy, dia tena ilaina izany mba hanorenana ao anatinao ny toetra takin’ny fiantsoana anao.
Araka ny zavatra efa niainako, dia afaka milaza aminao aho fa ny fankatoavana amim-pahatokiana ireo fiantsoana isan’andro ireo dia efa mahafeno 80% na mihoatra amin’izay ilainao hahatanteraka ireo antso hafa (lehibe kokoa na antso manokana) izay homen’Andriamanitra ho an’ny fiainanao.
Mianatra mitia olona amin-kitsimpo, tsy mamaly azy amin’ny fomba ratsy, mahatoky an’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra, … izany rehetra izany no manorina ny toetrantsika ary voatahiry ao anatintsika izany amin’ny alalan’ny zavatra iainantsika.
Ry namako, miezaha hankatò amim-pahatokiana ny antso omen’Andriamanitra anao isan’andro. Amin’ny voalohany, mety hitanao tsy dia mandroso loatra, fa tsikelikely dia ho hitanao ny fivoarana. Ny fahatokianao dia hitondra tsikelikely ny fiainanao ho amin’ny antso sy ny drafitra omen’Andriamanitra anao. Efa niaina izany aho milaza izany aminao ! =)
Fahagagana ny fisianao !