✅ Fanompoana sa finamanana?
Rehefa mieritreritra ny antsontsika eo amin’ny fiainana isika, dia matetika mifantoka amin’ny sehatra azo ampiharina izay asain’Andriamanitra hataontsika : ireo sehatra izay hametrahan’Andriamanitra antsika, ireo asa ho tanterahintsika, ireo olona izay ho tahiantsika…
Saingy raha ny tena izy dia tsy izany rehetra izany no fototry ny antsontsika, fa vokatry ny antsontsika ihany izany. Eritrereto izao: tsy voatery hitady mpanompo Andriamanitra, fa ny fo manompo no sitrany…
Niresaka tamin’ny mpianany momba izany i Jesosy. Ary tiako ny manasa anao handray anjara amin’io resaka io ary haka sary an-tsaina hoe i Jesosy mihitsy no milaza izao aminao hoe : “tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15:15).
Ry namako, eo amin’ny fiainana kristianina, ny zava-drehetra dia miainga amin’ny fifandraisana lalina amin’i Jesosy. Ny fisakaizanao Aminy no fototra ahafantaranao ny drafiny ho an’ny fiainanao, ary izany no mitarika anao hanao dingana amin’ny finoana.
Tahaka ny tsy ahafahanao mametraka ny tafon-trano raha tsy efa nanao ny fototra, eny, ao Aminy ny laharam-pahamehanao.
Afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho: raha ny marina, nandritra ny fiainako, dia ny fiarahako sy ny fifandraisaiko akaiky amin’Andriamanitra no nahafahako nahita tsikelikely ny drafiny ho ahy, ary nitarika ahy sy mbola mitarika ahy isan’andro hanao ny safidy tsara izay mampanakaiky ahy kokoa amin’ny anjara nomanin’Andriamanitra ho ahy. Tena sarobidy tokoa izany !
Eny, ry namako, tsy maintsy mianatra mihaino Azy aloha ianao, ary manorina fifandraisana lalina amin’ny fisakaizana Aminy, mba hahafahany manampy anao hahita izay nomaniny ho anao. Ary ahoana raha amin’izao ankehitriny izao ianao dia manomboka maka fotoana hiarahana amin’Andriamanitra sy manokatra ny fonao ho Azy ? Efa miandry anao Izy.
Sakaizan’Andriamanitra ianao, aza hadinoina izany.