đ Tsia, tsy izao no farany !
âEny, tsy ho tafavoaka amin’izao olana mianjady amiko izao mihitsy aho ! Tsy ho vitako ny hahatratra ny tanjona rehetra miandry ahy !â
Raha toa ka manelingelina ny sainao ny eritreritra toy izany aminâizao fotoana izao, dia tsy maintsy hilaza izao zavatra izao aminao aho : âMarina tokoa izany ry namako ! Izany no antony amporisiako anao hijery ny zava-misy amin’ny mason’Andriamanitra.
Rehefa voahodidinâny miaramilanâny mpanjaka i Elisa taminâny misasakâalina, dia nihazakazaka nankeo aminy ny mpanompony taminâny famoizam-po nanao hoe: âIndrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?â (2 Mpanjaka 6.15). Fantatrao ve ny fihetsikâi Elisa manoloana izany ?
Nanome toky azy izy hoe: âAza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.â (2 Mpanjaka 6.16). Azoko antoka fa avy hatrany ilay mpanompo dia namaly azy hoe : âTsy hitako anefa izany ?!â
âAry Elisa nivavaka hoe: Jehovah Ă´, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.â (2 Mpanjaka 6.17).
“Na dia tsy hitan’ ny masonao aza dia fantaro fa Andriamanitra dia miady ho anao foana.” Ny mahasoa anao no tadiaviny !
Ry namako, lasa mihasarotra ny fiainana ka indraindray isika manjary rendrika anaty fahasahiranana isan-karazany, aminâny asa maro tsy misy fitsaharana, amin’ny olana ara- pifandrasaina izay tsy haintsika intsony ny fomba hitondrana azy. Mety hiatrika olana miantraika amin’ny ny tenanao mihitsy aza ianao, izay mitondra anao amin’ny safidy mamotika ny fahasalamanao sy ny vatanao.
Angataho Andriamanitra hampahiratra ny masonao mba ho hitanao tsara fa ambonin’io olanao io dia misy Andriamanitra mahery, tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany, ary azo hitokiana indrindra.
Eny, eo anatrehanâny zava-drehetra mampahory anao isanâandro, dia misy tafika lehiben’ny fahendrenâAndriamanitra, vahaolana ary valimbavaka izay miandry anao !
Mivavaka aho mba hampahiratin’Andriamanitra ny masonao, tahaka ny nampahiratany ny masonâny mpanomponâi Elisa ! Ry namako, ny zavatra rehetra ilainao dia hainy atao, raha mitodika Aminy ianao.
Avelao izay mampahory anao, raiso ny Fahendreny : ilay avy any amin’Ilay Andriamanitra Tsitoha !