⛔ Rehefa mijanona ny zava-drehetra…
“Teny an-dalam-be, teo am-pamiliana fiara aho no indro nitsahiko mafy ny “accélerateur”, ary ny masoko nibanjina ilay rindrina tiako hodomina…”
Nandao ahy ilay lehilahy tokony ho vadiko ary nivady tamin’ny vehivavy hafa izy, herinandro vitsivitsy tao aorian’ny fisarahanay. Tsy zakako ny fijaliako.
Nafoiko noho izy daholo izay zava-dehibe rehetra teo amin’ny fiainako taloha. Ny mozika, ny fitetezam-paritra, ireo namako, eny fa na ny fianakaviako aza… Satria eo imasony dia tsy nisy “tsara” ho ahy ireo na iray aza. Tsy mendrika aho…
Nahatsiaro irery tanteraka aho noho izany, tsy nahavita niasa, tsy nahavita natory, narary, ary tafalatsaka tao anatin’ny fahaketrahana lalina nandritra ny volana maro.
Tsapako tsara fa tsy afaka manohy miaina toy izao intsony aho, ary tsy maintsy misafidy aho : na hanome tsiny azy na hamela azy. Na hanome tsiny ny tenako na hamela ny tenako…
Ary rehefa nampitodika ny masoko ho amin’ny fahamarinana — ny tenin’Andriamanitra — aho, vao nanambara tamiko ny zava-nitranga Andriamanitra : “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”. (Jaona 8.32)
Eny, nampahiratin’Andriamanitra ny masoko ka nasehony ahy fa tsy nahomby imbetsaka ny tenako… Rehefa tena dinihana dia tsy mendrika noho izy aho. Ny olona voaratra dia mandratra !
Nampahatsiahy ahy Jesosy fa Izy Tenany koa dia nandalo fotoan-tsarotra lehibe. Nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana Izy ! Olombelona toa antsika Izy, nanana fihetseham-po, ary nahatsiaro fanaintainana noho ireo fantsika voafandrika teo amin’ny tanany sy ny tongony !
Izao anefa no teniny farany : “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23.34)
Ry namako, tena tsy vonona ny hamela azy mihitsy aho…ankehitriny anefa, nisafidy ny hanao izany.
Satria tsy mahatsiaro miaina tanteraka ianao raha tsy mamela heloka. Eny, rehefa manomboka mamela heloka ianao dia manomboka velona indray !”
Tamin’ny farany, tsy nanafaka ahy fotsiny Andriamanitra – nanome ahy mihoatra lavitra noho izay noheveriko ho very teo amin’ny fiainako Izy ! Ry namako, izao no faniriany ho anao : Mamelà heloka, hiaino ny fiainanao !