🤔 Miezaka hamonjy ny tenanao ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🤔 Miezaka hamonjy ny tenanao ve ianao ?

Efa impiry aho no nankao ao amin’ny toeram-pivoahana mba hampiditra ny tanako anaty tendako ? Mahamenatra ahy na ny mieritreritra izany aza.

Tena naniry ny tsy hanao izany intsony aho! Imbetsaka aho no niteny anakampo hoe : “Androany no farany !” …Kanefa…

Angamba koa ianao efa nanandrana namaha ny olanao imbetsaka. Namerina nanandrana hatrany hatrany ! Ary nanontany tena ianao hoe nahoana no tsy ho vitanao izany…

Ry namako, tena tianao ve izany ? Tena te ho sitrana ve ianao ?

Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho..” (Marka 5.28)

Mahafinaritra ahy ny finoan’io vehivavy io izay nijaly nandritra ny taona maro ! Na ny dokotera aza dia nanamafy fa tsy ho sitrana mihitsy izy, ary tsy maintsy “hianatra miaina amin’ny olana mahazo azy”.

Rehefa manohy mamaky an’io andinin-teny ianao, dia ho hitanao fa nampiaiky an’i Jesosy mihitsy ny finoan’io vehivavy io ! Omem-boninahitra Izy rehefa matoky Azy isika ! Ary mazava ny valin-teniny momba ny faharetany : “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao”. (Marka 5.34)

Tao anatin’ny toe-javatra niainako dia voatery aho nanova ny fahazarako : raha toa ka miezaka ny hanavotra ny tenako samirery foana aho, dia tsy maintsy nianatra nitaraina tamin’i Jesosy tao anatin’ny fahoriako ! 

Tsia, tsy sitrana avy hatrany aho. Nila taona maro aho vao nahazo fahafahana tanteraka. Nianatra ny tsy hiantehitra amin’ny heriko manokana intsony aho mamakivaky ny tontolo androko, fa amin’ny Heriny Masina, izay nahatonga ny fiovana rehetra !

Ny teny filamatro vaovao dia : Tsy manaraka ny lalako intsony aho, fa miankina Aminao ! 

“Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55.22)

Ataovy hitan’i Jesosy ny faharetanao, ry namako, ary asehoy Azy fa mila Azy ianao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!