🙌🏻 Mitsangàna ianao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙌🏻 Mitsangàna ianao !

Inona no nanalavitra anao tamin’Andriamanitra, ry namako ?

Mety hoe zavatra nataonao ihany ve izany, sa nataon’olona taminao ? 

Mamelà ahy hilaza ny tenin’i T.D. Jakes ao amin’ny boky nosoratany hoe “Crushing” : “Ny fisedrana mahamay dia manambara fa misy zavatra betsaka kokoa eo amin’ny fiainantsika noho izay noeritreretintsika.”

Iraika amby roapolo taona aho tamin’izay no nivadika ho nofy ratsy indrindra ilay tolakandroko : nisy olona nanisy fanafody tao anaty ranomboakazo nosotroiko, mba hampatoriana ahy sy hanolanana ahy.

Feno henatra tanteraka aho ka tsaroako hoe nitsoaka tao an-tranoko. Tsy te hifanatri-tava amin’ny fianakaviako aho, tamin’ny fieritreretana fa izaho no diso, na avy amiko no nahatonga ny zava-misy !

Lainga… 

Nandositra aho noho ireo lainga ireo… nandositra ny fahamarinana izay mety nanampy ahy hampitraka ny lohako. Raha tokony hihira tao am-piangonana aho tamin’ny Paska dia naleoko niafina teny amin’ny dabilio farany, rehefa indro nanambara tampoka pasitera hoe : “Na inona na inona fahotana vitanao, na avy aiza ianao – tonga ny fotoana hanombohanao mihira indray… hira vaovao !” 

Hihira ? Tsia ! Tsy ho vitako izany ! Efa nafoiko izany nanomboka tamin’ilay tolakandro nitrangan’izany… Ahoana no mbola hampiasan’Andriamanitra ahy indray ? ary ny feoko ?

Na izany aza, ry namako, tamin’io andro io dia nandray ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra aho ! Eny, na dia nahatsiaro maloto, voaratra, tsy misy fanantenana aza aho dia nitsangana ary nandeha nandroso teo amin’ny hazo fijaliana, nitomany toy ny zaza, nangataka tamin’Andriamanitra mba hanasitrana ny fanahiko maratra ! 

Ary inona hoy ianao : Tena nataony izany !

Tsy vitan’ny hoe nanao izany ho ahy Izy, fa amin’izao andro izao, amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona nataoko, dia manohy manasitrana fiainana efa rava Izy : “Nikasa hanimba ahy ianareo, nefa tian’Andriamanitra hiova ho tsara izany ratsy izany. Te hamonjy ain’olona maro be Izy, araka ny hitanareo ankehitriny”. 

(Genesisy 50.20)

Eny ry namako, na avy aiza ianao, na avy aiza ny toerana nandosiranao, dia izao no fotoana tokony hanombohanao hira vaovao indray ! Eny : mitsangàna ary mankanesa eo am-pototry ny hazo fijaliana ! Satria izay nataony tamiko – dia azony hatao sy tiany hatao aminao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!