🙌🏻 Ialao ny endrika ivelany
Efa nahita olona tsy mety manaiky ny hadisoany mihitsy ve ianao, dia olona miavona sy mieritreritra ho mahalala ny zavatra rehetra ?
Fomba ratsy izay indrisy fa fanaon’olona maro matetika izany, indrindra ireo izay mitana toeram-pahefana. Tena mahavelombolo tokoa ny mifanerasera amin’olona manana fanetren-tena, mahay mankasitraka, tsara fanahy ary vonona hatrany ny hianatra.
Tena ilaina ny fanetren-tena eo amin’ny fahaiza-mitantana. Raha ny marina dia nilaza tamin’ny mpianany I Jesosy nanao hoe : “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Matio 11:29).
Betsaka ny zavatra azo ianarana amin’I Jesosy ! Fa ny fanetren-tena no avoitrany eto amin’ity andalan-tsoratra ity. Rehefa miaina anatin’izany fanetren-tena izany ianao dia mahatsapa fa tena mila an’Andriamanitra :
Tena mila an’Andriamanitra tokoa ianao amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ka mitarika anao hitady azy bebe kokoa anaty vavaka izany.
Tsy voatery ho tsara eo imason’ny hafa ianao fa noho ny Fahasoavany dia afaka miaiky ny tsy fahombiazanao ianao ka mitady fanampiana mba hivoahana amin’izany.
Manome lanja ny hafa ianao, indrindra ireo iray ekipa aminao, ary mikatsaka ny handrisika sy hanome aingam-panahy azy ireo fa tsy hanery na handrahona azy.
Toy ny akanjo fiarovana miaro antsika amin’ny toe-tsaina manimba ny fanetren-tena. Ny vaovao mahafaly araka ny lazain’io andinin-tsoratra io dia afaka mitombo anaty fanetren-tena isika, isan’andro, amin’ny fotoana rehetra, amin’ny fanapahan-kevitra rehetra ary isaky ny mifandray amin’ny hafa sy amin’Andriamanitra.
Ry namako, aoka ho hita amin’izay ataonao rehetra ny fanetren-tena ! Enga anie ny asa rehetra, ny fifaneraserana rehetra, ary ny asa rehetra ataonao dia ho voamariky ny hatsaran’ny hanitry ny fanetren-tena. Azo antoka fa hahatonga anao ho sambatra kokoa ny fanetren-tena ary koa hanampy anao hampitombo ny fiantraikanao amin’ny hafa ka hanatsara ny fahaizanao mitantana !
Araraoty ny andro anio ary aoka ho loharanon’aingam-panahy ho an’ny hafa ianao !