🤫 llay fiteny malaza hoe “inona no holazain’ny olona…”!
Amin’ny maha-olombelona antsika dia matetika isika no miezaka mampifaly ny hafa.
Tsy ratsy mihitsy izany, satria mampirisika antsika toy izao ny Baiboly: “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.” (Romana 15:2). Tsara ny mikatsaka ny hahasoa sy manao asa izay hahafaly ny hafa! Raha ohatra ka avy amin’ny fo izany ary tsy miankina amin’ny fitadiavana fankasitrahana, fa amin’ny fahatokiana sy ny fanirina ny hitahy ny hafa.
Efa niainanao ve izany hoe mitady fankatoavana avy amin’ny hafa izany? Efa imbetsaka aho no nitrangan’izany teo amin’ny fiainako… Ary na dia amin’izao fotoana izao aza, dia tsy maintsy mitandrina aho indraindray mba tsy ho tafiditra ao anatin’io fandrika io indray.
Raha mandinika tsara isika, dia hita hoe tsy mety tokoa! Mandany fotoana be isika amin’ny fanahiana ny amin’izay heverin’ny hafa momba antsika (ilay fiteny malaza hoe “inona no holazain’ny olona…”), ary lany eo ny androtsika, nefa tsy tsapantsika akory izany. Firifiry ny lalana nisokatra ho antsika no tsy azontsika noho ny tahotra ny ho afabaraka? Ny tahotra no fototry io fandrika io,ary toy ny mahazatra, dia mitady hampalemy antsika sy hanakana antsika tsy hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny fiainantsika izany.
Ny mpitarika marina dia manana fahalalahana afaka mampifaly sy mitahy ny manodidina azy amin’ny zavatra tsara, nefa tsy mampandefitra ny heviny, ny fahitany na ny maha izy azy. I Jesosy indray no ohatra tonga lafatra ny amin’izany. Rehefa nandao Azy ny ampahany betsaka tamin’ny vahoaka, dia nanotany ireo mpianany akaiky indrindra izy hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?” (Jaona 6:67). Hitantsika eto fa feno toky ny tenin’i Jesosy. Waouh! Izany fanomezan-toky izany no ahafahantsika manatratra ny tanjon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.
Ry namako, aza matahotra izay mety ho lazain’ny hafa momba anao !
Anio dia manana fahafahana hanao ireo dingana izay iantsoan’Andriamanitra anao ianao mba ho tonga loharanom-pitahiana ho an’ny manodidina anao. Araraoty izany fahafahana izany!