👋🏻 Ataovy laharam-pahamehana ny fifandraisana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👋🏻 Ataovy laharam-pahamehana ny fifandraisana

Impiry ianao izay no sendran’ny mpampiasa kizitina, izay mikitakita sy mitaky zavatra amin’ny mpiasany? Maro ny olona mihevitra fa ny fomba fitarihana olona dia mifototra amin’ny tahotra sy fandrahonana : “Raha tsy ataonao izay tiako, na amin’izay fomba tiako anaovanao azy dia voaroaka ianao!”

Raha ny marina, izay fomba fiasa izay dia manao ny olona ho toy ny isa na fitaovana ampiasaina mba hanatontosana asa iray. Raha toa ka, noho ny antony tsotra, tsy nahomby ny fampiasana ny iray amin’izy ireny, dia soloina hafa mahomby kokoa ilay izy, dia adinoina any.

Anisan’ny toetra tena manan-danja indrindra ho an’ny mpitarika mahatoky dia ny fanaovany ny fifandraisana ho laharam-pahamehana noho ny asa.

Tsy nitady ny hanana fikambanan’ny manam-pahaizana manokana hitantana ny asa fanompoana I Jesosy: Nitady mpianatra Izy mba hanorina fiainam-piombonana amin’izy ireo, fifandraisana mafy orina ka tonga hatramin’ny nilazany azy ireo hoe : “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” (Jaona 15 : 15)

Raha araka ny fenitra ankehitriny, maro tamin’ireo mpianatra no ho efa voaroaka dieny volana voalohany! =)

Saingy I Jesosy dia niasa tamim-pahatokiana nandritra ny 3 taona tao amin’izy ireo, na dia teo aza ny fahadisoany tsy aki-janona, ny avonavony sy ny ditrany… Izay no nahatonga azy ireo ho tonga apostoly tsikelikely, nanorina sy nampandroso ny Fiangonana mandraka ankehitriny.  Izany no mitranga rehefa manao ny fifandraisana ho laharam-pahamehana!  Ary izany ihany koa no tanterahin’Andriamanitra amiko sy aminao.

Ry namako, aza atao mandeha alohan’ny fifandraisana ny asa! Eny fa na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza. Raha misy olona manana olana, ahinjiro aminy ny tananao, miezaha hahatsapa izay mahazo azy dia fantaro izay azo hanampiana sy hitondrana am-bavaka azy. Hahamafy orina ny fifandraisanareo izany sy hanokatra varavarana mba hivoaran’ny zavatra rehetra, mihoatra lavitra.

Iza no ho entinao am-bavaka anio?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!