👨🏻‍🍳 Manompoa toy ny tena mpitarika
Tsarovy ireo mpanjaka sy mpanapaka malaza fahiny. Izy rehetra, na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, dia nahafantatra ny fomba stratejika hamindrana ny “pions”, toy ny amin’ny lalao “echec”, mba hahazoana hery, fifandraisana sy fahefana. Midika izany fa matetika izy ireo no namoaka ny tafiny ary nanao sorona ny miaramilany teny an-kianja, na nampahory vahoaka tamin’ny fampiakarana hetra.
Hafa ny an’i Jesosy. Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo Izy, nefa tsy tonga mba hampiasa ny olony mba hahatonga ny tenany ho lehibe kokoa. Fa tonga kosa Izy mba hanolotra ny ainy hamonjy ny olony. Efa nandre momba ny mpanjaka nanao sorona ny tenany ho an’ny vahoakany ve ianao? Eny, i Jesosy no Mpanjaka Mpamonjy, ilay Mpanjaka naka ny endriky ny mpanompo.
Izao no lazain’ny Baiboly: “Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Nanome ohatra ho an’ny mpianany sy ny vahoaka i Jesosy dia nanao izany mandrakariva tamin’ny fanompoana azy ireo, tamim-pitiavana sy fangorahana, tahaka ny hitantsika omaly.
Ry namako, rehefa manompo ny hafa ianao, dia mampiseho ny fon’ny tena mpitarika.
Amin’izao fotoana izao, manana fahafahana ho mpitarika mpanompo ianao: olona iray izay manentana ny hafa amin’ny alalan’ny fihetsika feno fitiavana sy fahalalahan-tanana mandrakariva. Tena sarobidy ny mandeha ao anatin’io fitiavana io izay mikatsaka ny hanompo sy hitahy ny olona rehetra hitanao!
Raha eo amin’ny toeran’ny mpitarika ianao ary manana fironana hanery hitaky zavatra na miteny mafy ny hafa, dia mamporisika anao aho mba hanapa-kevitra ny hanova ny fomba fanaonao! Afaka manomboka manompo azy ireo amin’ny fomba rehetra azo atao ianao, sady mitarika azy ireo. Ny halemem-panahy ataonao sy ny ezaka ataonao mba hanampiana azy ireo dia ho fijoroana ho vavolombelona mahery vaika sy fitaomam-panahy ho an’ireo olona ireo ka tsy isalasalana fa hitarika azy ireo hanao izay tsara indrindra vitany eo amin’ny fiainany andavanandro izany.
Anio, manompoa sy mitahia olona maro araka izay azonao atao!