🙌🏻 Hiaino ny anio !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙌🏻 Hiaino ny anio !

“Jehovah Ă´, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah Ă´, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan’ny taona izany; ” (Habakoka 3.2).

Endrey izany fahendrena sy faharanitan-tsaina ao amin’ity vavak’i Habakoka ity ! “Mihovitra” eo anatrehan’ny asa lehibe ataon’ny Tompo izy !

Tsy fantatro raha ahavita mivavaka tamim-pankasitrahana be tahaka izany aho, raha vao avy nilaza tamin’Andriamanitra ny fijaliako rehetra sy ny fitarainako rehetra, ary nanome ahy valiny mitovy amin’ny hoe : “Manana drafitra ho anareo aho, Hikarakara ny momba izany aho ao aoriana ao”!

Ahoana no mety ho fihetsikao ry namako ?

Nambaran’Andriamanitra tamin’i Habakoka ny fikasany, nefa tsy nambarany taminy ny fotoana hanatanterahany izany. 

Izany indrindra anefa no tiantsika ho re !

Izao fotsiny no nolazain’Andriamanitra taminy :

“Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2.3).

Ahoana ny famakianao an’io andininy io, ry namako ? 

Raha ny marina dia misy fomba roa ahafantarana azy :

Ho an’ny ankamaroantsika, io andininy io dia miteraka fahasorenana amin’ny voalohany : “Tsy hitranga eo no ho eo izany… eh… Miandrasa amim-paharetana…. eh… Tsy maintsy miandry elaela kokoa isika… oh !”

Saingy tiako ny hitarika ny sainao amin’ny fahafahana endrika hafa an’ity teny ity :

Azontsika atao koa ny mampifantoka ny saintsika amin’ireo “vato sarobidy miafina” ao amin’io andininy io : “Ho tonga amin’ny fotoana mety ny zavatra rehetra”! Midika izany fa ho tanteraka tokoa ny fahagagana andrasanao ary efa voalahatra ny fotoana ! Manamafy izany tokoa Andriamanitra ao amin’io andininy io : “Tsy ho ela dia ho tanteraka izany”!

Mandra-pahatongan’izany, tsy tokony hanana fiainana mampahory sy kivy ianao ! Tsia, mifanohitra amin’izany ! Satria rehefa matoky Azy ianao (izany hoe miandry) dia tiany ho velona ianao ! 

MIAINA anio : “…Fa ny marina ho velon’ny finoany” (Habakoka 2.4).

Raha marina amin’ny tenanao ianao, ry namako, mieritreritra ve ianao fa miaina amin’izao fotoana izao, sa miandry ny fahagaganao ianao vao tena manohy ny fiainanao ?

Amin’ity tranga ity, manoro hevitra anao aho, araka ny voalazan’ity andininy ity, mba hanavao ny fahatokisanao an’Andriamanitra anio “na dia lava aza”. Satria hitranga “amin’ny fotoana voatondro” ny fahagaganao !

Tian’Andriamanitra hiaina ianao ANIO – na dia rahampitso aza vao hitranga ny fahagaganao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!