❤️ Mbola misy foana ny fanantenana !
“Raha ny marina, tsy nieritreritra mihitsy aho fa ho toy izany ny zavatra hitranga izao maraina izao.”
Very hevitra tanteraka ilay mpianatra nijoro teo anoloako. “Rehefa nolazaina tamiko fa handeha hanatrika fotoam-pivavahana any am-pianarana izahay anio maraina, dia nanantena zavatra hafa tanteraka aho. Nihevitra aho fa tsy maintsy avelako eo am-baravaran’ny fiangonana ny olana mahazo ahy alohan’ny hidirana amin’io “toerana masina” io. Fa ny zavatra niainako tany dia nihoatra ny nantenaiko rehetra, tena tsy nampino !
Tamin’io maraina io, ity mpianatra ity – izay toa nahafinaritra – dia niala tamin’ny fahatokisan-tenany rehetra, mba hanaiky ny vavaka izay nanasako azy tamin’ny faran’ity fotoam-pivavahana ity.
Tonga ihany izy na dia tsy tena sitrapony aza, satria nanomboka tamin’ny 7h50 maraina ilay fotoam-pivavahana ! Naniry hahalala an’Andriamanitra sy hifandray manokana tamin’i Jesosy ihany anefa izy. Fa nefa hatramin’izao dia toa toerana manjavozavo izay tsy mety aminy mihitsy no nambara taminy…
Ry namako, io maraina io dia tsikaritro fa betsaka ireo tanora izay manana faniriana ny hahalala an’Andriamanitra any anatiny any, nefa lany andro izy ireo mihevitra fa tsy mendrika an’Andriamanitra, ary mila avelan’izy ireo any ambaravaran’ny fiangonana ny fanahiany rehetra mba hahafahany miditra ao.
Ry namako, fantaro fa velona Andriamanitra ary tena maniry fatratra anao Izy. Voalaza fa : “efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamony NY VERY.” (Lioka 19:10)
Marina izany. Efa tamin’ny andron’i Habakoka ny olona no “niodina”. Raha tokony nino izy ireo fa miandry azy ireo hiresaka Aminy fotsiny Andriamanitra, dia nilaozany nanompo andriamaninkafa.
“Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin’ny nanaovany sampy moana?” (Habakoka 2.18)
Ry namako, te hamporisika anao aho anio mba handinika ny fiainanao. Aza mijanona eo am-baravaran’ny fon’Andriamanitra miaraka amin’ny ahiahinao satria heverinao fa tsy “mendrika” ianao. Aza mijanona amin’ny sampy ihany koa, na inona na inona mety ho dikany eo amin’ny fiainanao.
Aza mandeha amin’ny lalana miolikolika, fa lalana mahitsy – mankany amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy !